Araka ny fanadihadiana nataon’ny SFI*, tsy misy fiantohana momba ny fambolena eto Madagasikara, nefa betsaka ny iharan-doza, vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ankehitriny. Tsy vitsy ny tantsaha maniry ny hisian’ny fiantohana momba ny voly, hita izany eto amin’ny faritra Analamanga, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Matetika loatra ny tondra-drano, hain-tany […]
Toe-karena
Tetikasa Africa Rice: ahazoana vokatra 7t/ha ny vary evoka
Tapitra ny ESA Parboil, na tetikasa fanaovana vary evoka, ao anatin’ny fandaharahasa Africa Rice, tohanan’ny sampana fampandrosoana alemà GIZ ara-bola. Tafakatra hatrany amin’ny 7ha/taonina ny vokatra azo avy amin’ity karazam-bary ity. Nilaza ny lehiben’ny Africa Rice Madagasikara, ny Dr. Gaudiose Mujawamariy, fa tanjona ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra, iadiana […]
Fiavian’ny fety: tafakatra 20.000 Ar ny kilaon’ny vatomamy
19 andro mialoha ny fiatrehana ny Krismasy, tsy mbola taitra amin’ny fividianana firavaka sy ny vatomamy ny olona. Hita taratra teny amin’ny tsenaben’Analakely izany, omaly. Na izany aza, manomboka miakatra tsikelikely ny vidin-javatra. Tafakatra manodidina ny 20 000 Ar mahery ny vidin’ny vatomamy, raha manodidina ny 15.000 Ar amin’ny andavanandro. Manodidina […]
Andron’ny indostria aty Afrika: « Tsy misy indostria mandeha raha tsy ampy ny angovo … »
Toy ny fanao isan-taona, nankalazaina omaly ny Andron’ny indostria aty Afrika, notarihin’ny minisitera misahana ny fampiroboroboana ny indostria, varotra sy fanjifana (Micc) niaraka tamin’ny Onudi, sampan-draharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny indostria. Eto Madagasikara, natao ny fankalazana nifampizarana vaovao momba ny indostria sy fampirisihina ny rehetra. Nitodika tamin’ny tomponandraikitra […]
Herinaratra : andrasana ny tetikasa Volobe II Toamasina
Anisan’ny nandray anjara nandritra ny hetsika ara-toekarena faritra Atsinanana (1-3 desambra) sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (23-25 oktobra) teo ny tetikasa Volobe II. Efa nanaovan’ny governora Rafidison Richard Théodore, antso avo, nandritra ny fanokafana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo, ny tokony hanomezana ny fahazoan-dalana hiasan’ny tetikasa ataon’ny […]