Maty voatifitry ny polisim-pirenena avy ao Vatomandry, omaly maraina, ny jiolahy iray 31 taona, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ravoalavo. Efa ela nokarohina noho ny halatra sy fikambanan-jiolahy ity olon-dratsy ity ka izao tratra sy lavon’ny bala izao. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny alatsinainy lasa teo izy ary notanana teny anivon’ny […]
Tranga
Teo an-tokotanim-piangonana : Hita tany anaty ala ilay moto nisy nangalatra
Mirongatra ny halatra fiara sy moto amin’izao fotoana izao. Moto scooter BWS iray indray nisy nangalatra teo an-tokotanim-piangonana eny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Napetraky ny tompony vetivety teo an-tokotanin’ny fiangonana iray eny an-toerana ny moto fa hiditra anaty sekoly izy, tamin’io fotoana io. Tsy teo intsony anefa […]
Haintrano tetsy Tsarahonenana : Raim-pianakaviana maty kilan’ny afo
Namoizana ain’olona ny haintrano nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsarahonenana, omaly maraina. Tokantrano 12 lasibatra. Raim-pianakaviana 75 taona namoy ny ainy, hotohoton’ny afo tao amin’ny trano fonenany, tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Niainga tamin’ny tsena fivarotan-kazo iray ny firehetana. “Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny afo, tokony ho […]
Vonoan’ olona tao Ambodiriana: Lehilahy voaheloka mandra-pahafaty
Voasazy higadra mandra-pahafaty, taorian’ny fitsarana azy, tao Toamasina, ny 26 avrily teo, ny lehilahy iray. Niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ny raharaha vonoan’olona tao Ambodiriana nahavoarohirohy an’ io lehilahy io. Nandritra ny fifandaharana teo amin’ny mpitsara, mpampanoa lalana sy ny voampanga ary ny mpitory, niezaka […]
Morarano Antongona : Fasana 3 indray vaky
Mirongatra ny vaky fasana any amin’ny kaominina Morarano Antongona, distrika Arivonimamo. Fasana miisa telo no indray nisy namaky, ny alin’ny zoma 23 mey teo. Lasan’ireo jiolahy ny taolambalo rehetra tao amin’ny voalohany, afa-tsy ny razana telo mbola tsy maina tsara. Razana iray ihany koa sisa no tsy lasan’ireo tsy mataho-tody […]