Tranga

Fiara efatra nifandona : Olona efatra namoy ny ainy tetsy Andranotapahina

Tra-doza tetsy amin’ny lalana Andranotapahana hihazo an’Ivato, ny fiara miisa efatra, omaly atoandro. Nifanenjika ny fiara tsy mataho-dalana roa, nisongona ny iray tamin’izy ireo ka nifatratra tamin’ny fiara roa nifanena taminy. Niara-maty vokatr’izany ny olona efatra. Olona roa hafa naratra mafy. Fiara miisa efatra no ni­fandona tetsy Ando­harano, amin’ny lalana […]

Antanandrano : Roa lahy tratra nivarotra rongony

Nosamborin’ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely Ilafy ny roa lahy mpivarotra rongony ikoizana eny amin’ny fokontany Anta­nandrano, afakomaly. Mano­loana ny laza ratsy hananan’io toerana io, amin’ny fisiana mpivarotra rongony, izay antsoin’ny tanora hoe daboka, nidina ifotony ny mpitandro filaminana izay notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra miasa ao Ankadikely. Nofandrihana ireo mpivarotra […]

Novonoina ny rainy, naolana ny reniny : Natao takalonaina, tadiavina i Mahandry kely

Miantso ny tomponandraikitra hanampy azy ireo hitady an’i Mahandry, zazalahy telo taona natao takalonaina ny fianakaviany, omaly. Novonoin’ny tsy mataho-tody ny rainy, naolana ny reniny, tsy mbola nandrenesam-baovao ny momba azy. «Mbola tsy hita, mi­karoka an’i Ma­handry kely izahay fianakaviana amin’izao fotoana  izao», hoy ny fana­zavan’i Natolotra Mamiheri­manda Sahondraniriana Eva, […]

Namono mpivady tetsy Antehiroka: Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

Nosamborin’ny polisy miasa ao Toamasina, omaly, ilay lehilahy voatondro ho namono nahafaty ilay lehilahy frantsay sy ny vadiny. Tao­rian’ny tranga vono olona niseho tao amin’ny fokontany Amboaroy, kaominina Antehi­roka, ny sabotsy 10 oktobra lasa teo, nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny fanangonam-baovao ny mpitandro filaminana. Naharay loharanom-baovao marim-pototra izy ireo fa nandositra […]