Maty voatifitry ny polisy ireo tovolahy miisa efatra, tompon’antoka tamin’ny famonoana roa vavy hita faty teny Ambohimanga Rova, ny alahady 23 aogositra teo. Nanohitra ny mpitandro filaminana izy ireo ka antony nitifirana azy. Mbola hita avokoa ny porofo rehetra sy ny fitaovana nanaovan’izy ireo ny asa ratsy. Maty voatifitry ny […]
Tranga
Valanaretina Mpox : Lehilahy iray namoy ny ainy tany Toamasina
Namono olona hafa indray ny Mpox. Raim-pianakaviana iray, 53 taona, monina any Mananara Avaratra, no namoy ny ainy vokatry ity valanaretina ity, ny alahady 23 aogositra lasa teo. Narary izy ary naiditra hopitaly tany Toamasina ary tao no namoy ny ainy. Raha ny angom-baovao voaray, efa ela no nahitana soritr’aretina […]
Ampasika : Tovolahy voasoloky, very ny bisikileta
Very hevitra saika hanaotao foana ny tovolahy iray voasolokin’ny olon-dratsy teny Ampasika, afakomaly. Norebireben’ny mpisoloky tamin’ny vato sandoka, nanome ny bisikileta vaovao teny aminy ity lehilahy ity. Niezaka nanangona vola izy sy ny zokiny mba hahazoana io bisikileta io, araka ny loharanom-baovao. Nahafeno vola mitetina 400 000 Ar, niroso tamin’ny […]
NISY NANENDAKA: Vehivavy Hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa
Nokarohin’ny mpamonjy voina nandritra ny alina tontolo tao amin’ny ranon’Ikopa, teny Tanjombato, ny tovovavy iray. Hita omaly, tamin’ny 7 ora maraina, ny vatana mangatsiakany. Niezaka nitsoaka izy rehefa nisy nanendaka teny an-toerana, afakomaly hariva, ka latsaka tao anaty rano, ary namoy ny ainy tao. Tovovavy iray 22 taona, efa tsy […]
Toamasina : Valo lahy voasambotra
Nosamborin’ny zandary ny lehilahy miisa valo voasaringotra amin’ny halatra vy ao Toamasina, afakomaly. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana andian’olona mikasa hangalatra vy tao amin’ny dépôt ao Betainomby, kaominina Toamasina II, ny mpitandro filaminana, ny 24 aogositra lasa teo. Nanao vela-pandrika ny ekipan’ny zandary ka niatrana tamin’ny toerana voatondro. Sarona nandritra […]




