Nisy naratra tamin’ireo mpitokona mitaky ny hialan’ny ben’ny Tanàna ao Toamasina II sy ny tomponandraikitry ny Birao ifotony ny fananantany, omaly. Nanomboka ny alarobia 26 aogositra, nidina an-dalambe nilanja sorabaventy ny fokonolona avy amin’ny fokontany voakasika, toy ny ao Antanandava Tsarahonenana sy Ambalamanasy. Torohin’izy ireo ho mangalatra ny tany sy […]
Tranga
Lozam-pifamoivoizana nandritra ny roa andro : Olona roa namoy ny ainy, telo naratra
Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Afakomaly sy omaly, telo ny voina niseho teto Antananarivo sy ny manodidina. Olona roa no namoy ny ainy ary am-polony naratra. Vehivavy iray 27 taona, maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy By-Pass, ny alin’ ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nitondra moto marika RS izy […]
Androhibe : Namoy ny ainy ilay mpiambina voavely vy
Efatra mianadahy voasambotry ny zandarimaria, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny famonoana mpiambina trano iray tetsy Androhibe, boriborintany fahadimy, vao an-dalam-panamboarana ireo olon-dratsy ireo, araka ny tatitra. Nitrangana fanafihana niharo vonoan’olona tao amin’ ilay tanàna vao hatsangana, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 20 aogositra lasa teo. Olona miisa telo, niampy mpiambina iray hafa […]
Vono olona teny Ambohimanga : Olona efatra voalaza fa efa voasambotra
Telo andro taorian’ny fahitana ny vatana mangatsiakan’i Haingotiana sy Stephanie teny Andranomatsatso, kaominina Ambohimanga Rova, ny alahady atoandro teo, miisa efatra ireo olona efa voasambotra, voarohirohy tamin’ny famonoana azy ireo roa vavy ireo. Voasambotra ny alahady hariva ihany ny roa tamin’izy ireo, raha ny fanazavana voaray tamin’ny fianakavian’ny maty. Voalaza, […]
Ambohitrimanjaka : Vehivavy iray namoy ny ainy, dimy naratra
Olana tampoka teo amin’ny familiana niafara tamin’ny lozam-piarakodia, tetsy Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Olona iray maty ary dimy naratra. Tsy tana ny ain’ny renim-pianakaviana iray, raha toa ka avotra soa aman-tsara ireo olona dimy hafa niaraka taminy, nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny fokontany Ampahibe, Ambohitrimanjaka, omaly maraina, tamin’ny 8 ora sy […]




