Nentina teny anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 Ha ny raharaha mahakasika ilay fahatrarana sokatra miisa 152 teny 67 Ha, ny 30 marsa 2026 lasa teo. Taorian’ny fihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana ireo voarohirohy tamin’izany, naiditra vonjimaika am-ponja, afakomaly 13 okotobra 2026, ny vehivavy iray, mpandraharahan’ny fonja, izay tompon’antoka […]
Tranga
Mpiantsena voatafika, very 8.000.000 ar : Lehilahy voatifitra tetsy Anosibe tsena
Notafihin’ny jiolahy iray tsy nisaron-tava ny lehilahy mpividy entana tao amin’ny tsenan’Anosibe, omaly maraina. Voatifitra teo amin’ny lohany ity farany ka maty tsy tra-drano. Voaroba ny vola 8 tapitrisa Ariary sy finday iray teny aminy. Lehilahy telo hafa naratra voatifitra. Nandriaka ny ra tetsy amin’ny tsenan’ Anosibe, omaly maraina, tokony […]
Maromaro ny loza niseho : Miaramila iray maty, enina naratra
Ankoatra izay, maty tsy tra-drano ny miaramila iray ary enina hafa naratra taorian’ny lozam-piarakodia tao amin’ ny lalam-pirenena faha-34 (RN34), mampitohy an’Antsirabe sy Malaimbandy, afakomaly maraina. Nivadika tampoka teny an-dalana ny fiara nitondra azy ireo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Namahora, Morondava, avokoa ireo naratra. Ankoatra io, namoizana ain’olona koa […]
Tambajotra mpangalatra moto : Mpitandro filaminana iray voasaringotra
Fito lahy mivondrona anaty tambajotra mivelona amin’ny halatra moto nosamborin’ny zandary miasa eo anivon’ny tobim-paritra Talatamaty, ny alahady 11 oktobra lasa teo. Niainga tamin’ny fahatraran’ny fokonolona ny jiolahy roa lahy nangalatra moto teny Talatamaty ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Tratra teo am-panosehana moto halatra ireo roa lahy, ny zoma 9 oktobra […]
Kamiao sy Sprinter nifandona : Fito namoy ny ainy, efatra naratra mafy
Nodomin’ny fiarabe mpitatitra entana ny sprinter mpitatitr’olona tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly atoandro. Potika tanteraka ny fiara tra-doza. Mpandeha fito tao anatiny namoy ny ainy. Efatra hafa naratra mafy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona maro tany amin’ ny lalam-pirenena faharoa, omaly atoandro tamin’ny 1 ora sy sasany tany ho any. Nidona […]





