Vaky ny fitaratry ny taksiborosy iray mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo, vokatry ny asan-dahalo teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma 30 mey. Nosakanan’ny andian-dahalo am-polony tamin’ny alalan’ny vato sy hazo teo amin’ny 10 km tsy hidirana ny kaominina Vohiposa, distrikan’Ambohimahasoa, io fiara io. “Nahare horakoraka sady […]
Tranga
Tsy hita roa herinandro : Ramatoa hita faty tanaty lavaka
Renim-pianakaviana 47 taona hita faty tao anaty lavaka mirefy 20 m tao amin’ny fokontany Memangoraka, kaominina Mangatany, distrikan’i Fenoarivobe, ny 27 mey teo. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany ao an-toerana ny zandarimaria momba ny fisiana fatin’olona hita. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny CSB II ao Mangatany sy […]
Voalaza ho mpangalatra : Lehilahy matin’ny mpianatr’Ankatso II
Niharan’ny fitsaram-bahoaka teny amin’ny faritry ny trano fonenan’ny mpianatra Ankatso II ny lehilahy iray. Nikasa hangalatra sy hanao sinto-mahery izy sy ny namany efatra hafa saingy tratran’ny olona. Tavela teo amin’ny kianja fanaovana basikety teny an-toerana ny razana omaly maraim-be. Lehilahy manodidina ny 25 taona, hita faty teo amin’ny kianja […]
Tratry ny « caméra de surveillance » : Ankizilahy 12 taona nandoro kidoro 30 isa
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny ankizilahy 12 taona nandoro kidoro am-polony tao Ampasambazaha, kaominina Fianarantsoa. Nitrangana fahamazaina tampoka tao amin’ny toeram-pivarotana kidoro iray tao an-toerana, ny alahady 25 mey teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Nirehitra tampoka ny kidoro namidin’ny tompon-tsena. Nalaky azon’ny afo ireo entana ireo ka niteraka fatiantoka […]
Nilaza ho mahatafiditra mpiasa: Mpisoloky naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja ilay lehilahy mpisoloky voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Olona miisa efatra nametraka fitoriana noho ny fisandohana nataon’io lehilahy io. Nilaza ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny orinasa Jirama izy. Mody miantso olona amin’ny alalan’ny telefaonina. Miresaka mombamomba azy amin’ilay olona ho solokiana izay tsy lavitra azy aorian’izay. Noreseny […]