Tranga

Nampangain’ny kapa sy ny valizy: jiolahy namono nahafaty ny mpampiasa azy

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Manakara, omaly, ireo jiolahy telo tompon’antoka ta­mina vonoan’olona feno habibiana. Ny 26 oktobra 2023, vehivavy iray no niharan’ny vonoan’olona feno habibiana tany amin’ny faritra Sava. Lasa nilefa nihazo ny kaominina Sahasinaka avy hatrany ireo nahavanon-doza taorian’izay. Nahazo fampitam-baovao mom­ba izany ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra […]

Resin-tory tao anaty ala : dahalo maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanandrinan’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao Lavaha Tsararano, kaominina Manambidala Vondrozo, ny sabotsy 28 oktobra teo. Nitrangana halatra omby tao amin’ny tanàn’Andranolava, kaominina Andoharano, distrikan’i Vondrozo ny alakamisy 26 oktobra teo. Nanara-dia ny fokonolona ka tratra tao amoron-dranon’i Manampatra, ny dahalo iray […]

Hazo mivoa-dra : zaza roa taona namoy ny ainy tany Antalaha

Tsy mampino ! Raim-pianakaviana nanapaka hazo masina mandeha ra no namoy ny zanany vavikely. Voalaza fa nanangatra ity farany, ka nilaza fa mbola hisy olona fito hafa ho faty ! Mbola misy ireo hazo masina sy tany ma­nan-kasina any amin’ny faritra sasany ! Nitrangana trangan-javatra hafahafa tao amin’ny fokontany Ambalai­voka, kaominina ambanivo­hitr’Antanananambo, distrikan’ […]

Zava-mahadomelina : mpitsindrona “rôrô” fito mianadahy voasambotra

Vehivavy roa sy lehilahy dimy saron’ny mpitandro filaminana nanaparitaka rongony mahery vaika “héroïne” tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Ny 20 oktobra lasa teo, naharay fitarainana ny zandarimaria Toamasina Ville, momba ny fisiana mpidoroka rongony. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ireto farany. Sarona tamin’izany ny lehilahy dimy sy vehivavy iray. […]

Fisandohana: lahiantitra nahatrarana vola sandoka 360 000 Ar

Lehilahy 66 taona voasambotry ny zandary tao Anosibe, fokontany sy kaominina Ambohitromby, distrika Fenoarivo, ny zoma 27 oktobra teo. Niantsena tamin’ny mpivarotra iray tao amin’io tanàna io ilay mpisoloky. Nampandre ny mpitandro filaminana noho ny fiparitahan’ny vola sandoka ny mponina lasibatra. Niroso tamin’ny fanadihadiana ,araka izany, ny zandarimaria. Voatonona tamin’io […]