Tranga

Ambodimita : norarahana lasantsy ny biraom-pokontany

Niredareda nandritra ny ora iray ny afo teo amin’ny biraom-pokontany Ambodimi­ta, boriborintany fahenina, afakomaly alina. “Nahare olona nikasokasoka tao ivelan’ny trano izahay ary nisy fofona lasantsy noho ny avy eo”, hoy ny nambaran-dRahani­triniaina Lalao, izay mifanalo-bodirindrina amin’ny biraom-pokontany. Nirehitra ny tohatra eo amin’ny trano misy ny biraom-pokontany ka nivoaka avokoa […]

Bala tetsy Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana lalina

Bala iray fampiasa amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika nilatsaka tamin’ny tany nandritra ny savorovoro, tetsy Mahamasina, omaly. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Karohina ny tompon’antoka nitondra ny fitaovam-piadiana ka nahatonga ny bala tena izy iray nilatsaka teny Mahamasina, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana, omaly. Nandritra ny sakoroka nifandonan’izy ireo sy ny […]

Ankadikely Ilafy : mpivady niara-naiditra am-ponja

Niaraka notanana am-ponja vonjimaika eny Antani­mora ireo mpivady nahatrarana moto halatra tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 5 novambra teo. Nitrangana vaky trano teny amin’ny fokontany Belanitra, anatin’io kaominina io, ny alin’ny 4 novambra. Very tamin’izany ny moto scooter iray sy ny vilany tao an-tokantrano. Naharay fampahafantarana anefa […]

Vonoan’olona feno habibiana: mpanangom-bokatra hita faty tao anaty kirihitr’ala

Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray tao Maladialina Antsahapolisy, ka­o­minina Bevonotra, distrikan’i Sambava, afakomaly. Mpa­nan­gom-bokatra misehatra amina lavanila ity niharam-boina ity. Nihosindra izy ka ireo ra niparitaka tamin’ny lalana no nahataitra ireo mpandalo tany an-toerana. Narahin’ny olona ilay ra niparitaka ka nifarana tao anaty kirihitr’ala […]