Tranga

Nitsoaka zandary : maty voatifitra ilay mpangala-boamaso

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny iray tamin’ireo roa lahy nangalatra voamaso tao Ejeda, distrikan’Ampanihy, afakomaly. Niaiky heloka nataony nandritra ny famotoran’ny zandary azy io olon-dratsy io fa izy no tompon’antoka tamin’ny fanesorana ny mason’ny renim-pianakaviana roa tao an-toerana. Ny namany iray izay voasambotra niaraka taminy. Voalaza […]

Novonoin’ny jiolahy: nizara roa ny vatany, tapaka ny lohany

Nampihoron-koditra ny zava-nanjo an’i Riry Emile, raha niambina ny tany mangahazony. Novonoin’ny jiolahy izy. Nozaraina roa ny vatany. Notapahina ny lohany. Lasa faritra mena ! Raim-pianakaviana iray fantatra amin’ny anarana hoe Riry Emile no hita faty. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny fokontany Ambatoharanana Man­dia­manga, kaominina amba­nivohitr’Andasibe, distrikan’i Vavatenina, […]

Ambilanibe Anosipatrana : feno jiro halatra tao an-tranon’ireo jiolahy

Noraisim-potsiny ! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohiman­gakely, afakomaly, ireo jiolahy roa raindahiny amina halatra jirona fiara. Lasibatr’ireo mpangalatra ny jirobe anoloana sy aorian’ny fiara. Maro ireo manana fiara no mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpangalatra. Nitrangana halatra jiro teny amin’ny fokontany Be­hitsy, kaominina Ambohiman­gakely, Antananarivo Avara­drano, ny 17 oktobra 2023 […]