Lavon’ny zandary ny dahalo roa lahy anisan’ireo nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Bemahogo, kaominina ambanivohitra Ankaraobato, afakomaly. Samy nitondra basimborona ireo dahalo 18 lahy ka nanafika tao amina tokantrano iray. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary. Nanaovana sakana avokoa ireo kizo nahiana handosiran’ireo tsy valahara. Tsikaritry ny mpanara-dia […]
Tranga
Tovovavy novonoina : notrobahana zava-maranitra ny sofiny
Maty nisy namono ny tovovavy vao 23 taona, teny Antohibe Ambohidratrimo, omaly. Niboridana ny tapany ambany, novelesina ny lohany, natsipy teny amoron’arabe ny razana. Alahelo sy hakiviana ny an’ny fianakavian’Itompokovavy F. Tiana, tovovavy 23 taona, hita faty teny Antohibe Ambohidratrimo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora. Niala tao an-trano, […]
Vaky trano : raim-pianakaviana maty novonoin’ny jiolahy
Nofiraina famaky sady rotiky ny tifitra nataon’ny jiolahy 12 lahy ny raim-pianakaviana iray ka namoy ny ainy tao Betanatanana Maintirano, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 22 oktobra teo. Nanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy. Raim-pianakaviana sy ny vadiny, samy nohazonin’ireo tsy mataho-tody. Nalain’ireo mpandroba ny zavamaneno miisa […]
Adin’ny mpivady: lehilahy notondrahana rano mangotraka
Zava-doza! May ny filahian-drangahy sy ny tratrany ary ny tarehiny. Notondraham-badiny rano mangotraka izy tamin’ny alahady, teny Andrianalefy, fokontany Androhibe, boriborintany fahadimy. Nivadika ho herisetra ny adin’ny mpivady, monina eny Andrianalefy, fokontany Androhibe, ao anatin’ny boriborintany fahadimy, tamin’ny alahady tolakandro teo. Notondrahan’ilay renim-pianakaviana rano mangotraka ny vadiny, nandritra ny fifamaliana. […]
Soavinandriana : dahalo telo matin’ny fitsaram-bahoaka
Niara-matin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo telo lahy mpangalatra omby tao Ambohipeno, fokontany Mahazina, kaominina Ankisabe, distrika Soavinandriana, ny alakamisy 19 oktobra teo. Nentin’izy telo mirahalahy ireo ny omby iray tao amin’io fokontany io. Nanara-dia tamin’izany ny fokonolona nampian’ny miaramila. Nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy kosa ny zandary. Latsaka afovoany ireo […]