Nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Miarinarivo, ny zoma teo, ny tambajotran-jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra taolam-paty ao Miarinarivo. Taolam-paty iray gony no tratra tany amin’izy ireo nandritra ny fampandrian-tany nataon’ireo miaramila ao amin’ny fari-piarovana sy Filaminana Tsiafajavona. Sarona tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana Itasy, ny sabotsy 26 […]
Tranga
Nandona kamiao: tovolahy 23 taona, matin’ny « scooter »
Maty tsy tra-drano ny tovolahy vao 23 taona, afakomaly. Nandona kamiao ny “scooter” notaingenany, araka ny fanambaran’ny zandary. Vaky ny lohany, potika ny fananany. Namoy ny ainy ny mpitandro moto “scooter” iray tao Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Avy any Ambohimalaza izy. “ Nandeha mafy […]
Ambohitrimanjaka: Kaporaly sandoka nivaro-basy voasambotra
Kaporaly sandoka ny iray tamin’ny telo voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohitrimanjaka, ny 29 aogositra teo. Tratra teo am-pivarotana basy PA niaraka amin’ny bala miisa 25. Naharay loharanom-baovao ny zandary momba ny fisian’ireto olon-dratsy ireto. Sarona teo am-pikononkononana hivarotra ny basy miaraka amin’ny bala ireo olona telo. Nohadihadian’ny zandary, nitonona […]
Resa-baolina: tovolahy maty voadaroky ny namany
Niteraka fahafatesana ny ady baolina kitra tao Tsaramandroso, fokontany Anahipisaka, kaominina ambanivohitr’i Belemoka, ny sabotsy teo. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ny tovolahy iray. Nisy fifamaliana teo aminy sy ny namany teo am-panaovam-baolina. Savorovoro noho ny fifampihantsiana teo amin’ireo mpilalao no fototry ny olana. Tsy nahatanty ny mpilalao sasany […]
Tsy fandriampahalemana: mpamily taxi miisa telo nisy namono teto an-drenivohitra
Novonoina ! Nariana tanaty lakandrano teny Andraisoro ny vatana mangatsiakan’i Hery, mpamily taxi. Mangana sy feno ratra ny razana. Mbola teny aminy ny volany. Tafakatra telo ny mpamily taxi nisy namono teto an-drenivohitra tao anatin’ny telo volana. Hery, ilay hita faty teny Andraisoro, omaly maraina no farany. Nampandre ny mpitandro filaminana […]