Raikitra indray ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao hetsika fotsy, ny sabotsy teo, tetsy Behoririka. Zandary sy miaramila iray naratra raha sivily valo kosa voasambotra… Indroa miantaona ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao hetsika fotsy tetsy Behoririka, ny sabotsy 11 novambra teo. Nirefodrefotra ny […]
Tranga
Karieran’Ikalamavony : olona telo maty tototry ny tany
Olona telo indray tototry ny tany tao Antsahan’i Kamavo ao Mandarano, fokontany Mananatanana, kaominina sy distrikan’Ikalamavony, afakomaly. Kariera efa tsy misy miasa intsony no niasan’ireto olona niharam-boina ireto, araka ny tatitra nampitain’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ikalamavony. Fito lahy izy ireo no niasa nitrandraka vato antsoina hoe «ziricon» sy « spocumen » teo amin’ity toeram-pitrandrahana vato sarobidy ity, ny 8 novambra […]
Grenady- Toby Ratsimandrava: lehilahy nosamborina, basy roa nogiazana !
Lehilahy iray no voasambotra, afakomaly, tamin’ilay fanapoahana grenady tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nahitana basy roa ihany koa tao an-tranony ka ny iray kilalao. Voasambotra, afakomaly, teny Analamahitsy, boriborintany fahadimy ny tovolahy iray. Ahina ho tompon’antoka voalohany tamin’ny fanapoahana grenady teo amin’ny kianja filalaovana basiketin’ny Toby Ratsimandrava, ny alin’ny 7 novambra 2023. Araka ny angom-baovao natao, manana […]
Hazalambo : dahalo telo lahy maty, iray azo sambo-belona
Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Lavo ny dahalo mpikotrika halatra omby. Nitsoaka mpitandro filaminana nisambotra azy, atidoha mpikotrika halatra omby roa lahy maty voatifitra tao amin’ny kaominina Tamponala, afakomaly. Nosamborin’ny zandary izy roa lahy ireo. Nentina atao […]
Isotry- Mpiantsena maraina : voatsatoka antsy teo amin’ny tendany
Sady voaendaka no voatsatoka antsy ny renim-pianakaviana iray, omaly, teny Ambalavao Isotry. Notrobarana ny tenda sy ny takibany raha hamonjy fodiana avy naka entana maraina. Nendahin’ny jiolahy roa nitondra antsy lavalela ny renim-pianakaviana iray 36 taona teny Ambalavo Isotry, omaly vao maraina. Notsatohan’ireo olon-dratsy antsy izy, raha nikasa haka fiara […]




