Mpianatry ny oniversite roa vavy nanamparan’ny dimy lahy ny filan-dratsiny tao Toamasina. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Voaambana antsy sady naolana ny mpianatra roa vavy avy ao amin’ny oniversite Barikadimy, tao amin’ny moron-dranomasina ambadiky ny arabe Ratsimilaho, ny 27 aogositra teo. Avy nanao fanadinana izy roa vavy. Nifampitarika teny amoron-dranomasina haka rivodrivotra […]
Tranga
Mpamerin-keloka : jiolahy iray maty voatifitry ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Morafeno Vangaindrano, afakomaly. Azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray namany voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra sy fanafihana mitam-piadiana. Nahazo loharanom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Vangaindrano momba ny fisiana andian-jiolahy mikasa hanafika ao amin’ny fokontany Morafeno. Tsy niandry ela ny […]
Nampitandrina ny Emmo/Nat: tsy mila korontana ny vahoaka malagasy
« Ankatoky ny fifidianana isika izao, mihorohoro ny sain’ny rehetra. Eto izahay mpitandro filaminana hiaro ny andrimpanjakana sy ny vahoaka », hoy ny lehiben’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara. Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Manoloana izany indrindra, nampitandrina ny teo anivon’ny Emmo/Nat (Etat-Major mixte […]
Oniversite Fenoarivo Atsinanana : tratra ireo jiolahy namaky ny tranona mpiasa
Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Fenoarivo Atsinanana, afakomaly ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina vaky trano ao amin’ny faritry ny Oniverisite. Voasambotry ny polisy tao Anjoba Fenoarivo Atsinanana, ny 26 aogositra lasa teo, ireto jiolahy ireto. Ny 21 aogositra 2023 hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn, niharan’ny vaky […]
Lozam-pifamoivoizana : mpitondra bisikleta maty voahosin’ny fiara
Maty voafaokan’ny taxi-be iray teny Anosizato Andrefana (manoloana ny tranombarotra lehibe iray), omaly tamin’ny 8 ora sy 20 mn, ny tovolahy iray. Taxi-be iray hiakatra ho any amin’ ny fiantsonana farany any Anosy no nifaoka ity tovolahy ity nandritra ny «sens unique à double voie» na fandehanan’ny fiara roa mitandahatra […]