Lehilahy iray mipetra-drery hita faty tao an-tranony tao Besakoa, Toliara, omaly maraina. Novonoin’ny olon-tsy fantatra tamin’ny zava-maranitra izy. Namoy ny ainy tao an-trano fonenany ny lehilahy iray misehatra amin’ny orinasa mpampita entana iray na “transitaire”, tao amin’ny fokotany Besakoa, Toliara, omaly maraina. Naharay fampahafantarana ny zandarimaria avy eo anivon’ny sampana […]
Tranga
Sarintsarina fakana an-keriny : mpanampy vavy sy lehilahy iray voasambotra
Voasambotry ny zandary ny vehivavy sy lehilahy iray, niray tsikombakomba tao Antsirabe tampon-tanàna, ny 13 oktobra teo. Nirahan’ny mpampiasa azy hanatitra entana tany Anjoma Ramartina io vehivavy io, ny 11 oktobra teo. Tsy niverina intsony anefa io mpiasa vavy io ary tsy tratra antso. Roa andro taorian’io, tratra antso tampoka ary nilaza fa nalain’ny […]
Talen-tsekoly novonoina : notsatotsatohana antsy tamin’ny lohany
Efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona manamorona ny lalam-pirenena fahefatra ny “proviseur” an’ny lisea iray anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny zoma 13 oktobra teo. Nahitana tsatok’antsy maromaro ny vatany. Tsindron’antsy miisa enina sy daroka tamin’ny loha no namonoan’ny olon-tsy fantatra ny “proviseur” iray tao Ankarefo, fokontany Ambohimiadana, kaominina Ampanotokana, distrika Ambohidratrimo, ny […]
Arivonimamo: dahalo raindahiny maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo ikoizana amin’ny halatra omby tao Ampanazava, fokontany Antsampandrano, kaominina Amboanana, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny niaraka tamin’ny dahalo efa-dahy ka nanaovan’ny mpitandro filaminana fikarohana nanomboka ny 20 septambra lasa teo. Sarona ny iray ka efa namita sazy any am-ponja. Namoahana didy fikarohana kosa ireo […]
Fifandonana mahery vaika: zandary iray maty voatifitry ny dahalo
Zandary mpiana-draharaha iray maty voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana mahery vaika, tao amin’ny fokontany Bemahogo, kaominina Ankaraobato, distrika Marovoay, ny alin’ny alakamisy 12 hifoha ny zoma 13 teo. Nanara-dia dahalo mpangalatra omby niaraka tamin’ireo namany ity zandary ity. Nitondra fitaovam-piadiana koa anefa ireo olon-dratsy. Nandritra ny sakoroka, voatifitr’ireo tsy […]