Tranga

Iray maty, iray naratra : mpirahalahy mamo, nifanindrona antsy

Nifamaly sy nifanindrona antsy vokatry ny toaka izy mirahalahy. Maty ny zokiny, naratra voafira teo amin’ny lohany ilay zandriny. Nitolo-batana teny amin’ny zandary ity farany. Zava-doza ny nateraky ny fifandirana teo amin’ny samy mpirahalahy tao Seranana, fokontany Lazaina, kaominina Fanjakana, distri­kan’Isandra, afakomaly. Samy nisotrosotro zava-mahamamo izy mirahalahy ireto sy ny […]

Ady tany : raim-pianakaviana hita faty nifatotra sady nodorana

Nodorana ny loha ary nofatorana tady ny raim-pianakaviana iray hita faty tao Andasibe Andranomena, fokontany Ambodirotra, kaominina ambanivohitra Mangarivotra, distrikan’i Moramanga, afakomaly. Tsy hita nanomboka ny 6 aogositra lasa teo izy. Ny alatsinainy teo, naharay loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo tao amin’ny tanànan’i Mangidi­foza ny zandary. Vatana mangatsiaka efa kilan’ny afo […]

Halatra omby : dahalo enin-dahy voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny dahalo enin-dahy nangalatra omby tao Madirofody, fokontany Lakovola, kaominina Marovoay, ny faran’ny herinandro teo. Nitran­gana fandrobana nataon’ny dahalo am-polony tao amin’io tanàna io ny 17 aogositra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’izany ny omby miisa folo, tokony tamin’ny 4 ora ma­raina. Nampandre ny zandary miasa ao […]

Tao anaty toeram-pandihizana : renioney iray tratra niaraka tamin’ny cocaïne 4 g

Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy tamina toeram-pandihizana iray eto an-drenivohitra, ny sabotsy alina teo, ny teratany renioney iray 42 taona. Voarohirohy tamina raharaha fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’ireo toeram-pandihizana no nahatrarana ity mpizahatany Renioney ity niaraka tamin’ny cocaïne milanja […]