Mpiambina iray “agent de sécurité” nangalatra moto ka nifanenjehan’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ambohijanaka, distrikan’ Antananarivo Atsimondrano, afakomaly. Mody niditra tao amina toeram-pitsaboana (CSBII) anatin’io fokontany io ilay lehilahy. Namonjy filaharana toy ny marary rehetra izy. Nahatsikaritra ny moto an’i dokotera nipetraka tao amin’ny efitra mitokana anefa io olon-dratsy io. […]
Tranga
Avy naka « versement »: norobain’ny jiolahy ny vola 5 tapitrisa Ar
Indroa miantoana ny fanafihana teny Atsimondrano, omaly. Jiolahy efa-dahy nitaingina moto avokoa no nandroba tsena sy mpitondra moto teny amin’ny RN7. Lasan’ny jiolahy efa-dahy nanao taingin-droa tamin’ny moto ny vola “versement” nitentina 5 tapitrisa Ar avy nalain’ny mpanatitra fahana iray teny amin’ny RN7 teo Ambohibao, kaominina Bongatsara, omaly tolakandro. “Avy nanangona […]
Fanateram-boninkazo tao Toamasina : maro ny vy karakaram-pasana very
Mbola anjakan’ny asa ratsin’ireo jiolahy hatrany ny fasana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanararaotana rehefa vaninandro ny fahatsiarovana ireo efa nodimandry ny voalohan’ny volana novambra. Lasan’ ireo mpangalatra ny vy karakaram-pasana. Raha ny zava-nisy tao Toamasina nandritra ny fankalazana sy fahatsiarovana ny fanateram-boninkazo tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, maro […]
Ilafy : tratra ny tambajotra mpangalatra moto
Mirongatra ny halatra moto ao Avaradrano. Jiolahy roa raindahiny indray voasambotra niaraka tamin’ny zava-maranitra, afakomaly. Tratran’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’ny Sabotsy Namehana ny roa lahy mpangalatra anatin’ny tambajotra mpangalatra moto ao Ilafy, ny harivan’ny alahady 12 novambra teo. Naharay fitarainana tamina olon-tsotra ny polisy momba ny fisiana jiolahy […]
Fanafihan-jiolahy : Inspektera maty voatifitra teo amin’ny kibony
Namoy ny ainy nandritra ny fitifirana nataona jiolahy nitam-basy nanafika tranombarotra tao amin’ny kaominina Ambovombe Centre/ Manandriana, distrikan’Ambalavao, ny polisy iray, afakomaly. Jiolahy dimy lahy no niditra an-keriny tao amin’io toeram-pivarotana io. Nandroaka izay azo nalaina izy ireo ary roa lahy hafa niandry teny ivelan’ny trano. Nahazo fampahafantarana ny mpitandro […]




