Potiky ny bala ny lohaliky ny dahalo iray anisan’ireo nandroba mpivarotra tao Soatana, distrikan’Antsahalova, faritra Melaky, afakomaly. Mpivarotra trondro maraina no norobain’ny enin-dahy. Lasa hatramin’ny entana. Niantso vonjy tamin’ny olon-tsotra manodidina ireo lasibatra. Nanara-dia ireo tsy vahalara ny mpiambina iray. Nitondra fitaovam-piadiana io mpiambina io ary nanampy azy ny fokonolona. […]
Tranga
Fakana an-keriny: telo maty voatifitra, fito voasambotra
Lavon’ny bala ny telo tamin’ireo dahalo mpaka an-keriny nokarohina tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny 19 aogositra teo. Tratra ireo mpiray tsikombakomba. Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny dahalo sady mpaka an-keriny telo lahy tao amin’ny kizo Marotsingala, fokontany Antanetibe, kaominina Beronono, distrika Anjozorobe, afakomaly. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana […]
Anosibe : jiolahy iray voasambotry ny SAG
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny SAG, teny Anosibe, omaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny rehefa avy nanendaka. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra izy dia tratra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra avy nangalariny tamin’io fotoana […]
Ankazobe : mpaka an-keriny roa lavon’ny zandary
Nokarohina hatry ny ela. Rotiky ny bala ny dahalo roa lahy tao amin’ny distrikan’i Maevatanana, ny 19 aogositra teo. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny andian-dahalo sy ny zandary tao amin’ny fokontany Anosipotaka, kaominina ambanivohitra Tsiafabositra. Ikoizana amin’ny halatra omby, mpandray anjara tamin’ny tranga fakana an-keriny tao Maevatanana, Ankazobe hatrany Anjozorobe […]
Fiara mpitatitra roa tra-doza: niampatrampatra ny faty, olona 20 namoy ny ainy
Sesilany ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Olona 10 no fantatra fa indray namoy ny ainy raha sivy kosa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Marovoalavo Beforona, RN 2, Pk 155+900, omaly tamin’ny 4 ora folakandro. Taksiborosy hiakatra aty Antananarivo avy any Toamasina no […]