Tranga

Moramanga : ravan’ny zandary ny andian-jiolahy mpanao fanafihana

Naiditra am-ponja ao Mo­ramanga omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra tao Moramanga. Ny sabotsy 12 aogositra teo, nitrangana fanafihana tao amin’ny toeram-pivarotana iray eo amin’ny lalana garavaky. Nanao fisafoana avy hatrany ny zandary taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo momba ity fanafihana ity. Nahita olona maromaro […]

Hetsika « Tselatra » : maty voatifitra i Tsedy sy i Tsaravela

Nifanehatra tamin’ireo miaramila mpampandry tany anatin’ny hetsika « Tselatra » sy ireo antoko voalohany ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Matitanana, afakomaly. Tao an-tanànan’i Lohamanga, fokontany Fenoarivo 2, kaominina ambanivohitr’i Labohazo, distrikan’i Farafangana. Teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana ireo jiolahy antsoina hoe Tsedy sy Tsaravela no nifanehatra tamin’ny miaramila. Naharay antso momba ny […]

Antohomadinika ; trano 18 levon’ny afo, fongana ny entana rehetra

Lasa lavenona tanatin’ny indray mipi-maso ny entana sy ny biby fiompy tetsy Antohomadinika, omaly. Tokantrano 18 may noho ny antony tsy fantatra mazava. Trano biriky telo niampy trano hazo am-polony, hotohoton’ny afo, teny amin’ny fokontany Antoho­madinika afovoany, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy sasany. « Niainga tamin’ny trano hazo iray nisy mpivarotra […]

Talatamaty: jiolahy raindahiny roa lahy maty voatifitra

Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny tratra tao “Bemoka”, fokontany Ambohi­nambo, kaominina Talatamaty, distrikan’ Ambohidratrimo, omaly maraina. Anisan’ny namoahan’ny fitsarana didy fikarohana noho ny asa ratsy nataony, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Tomponantoka tamin’ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalan’Andra­notapahana, ny 4 jona lasa teo, ny […]

Nanandrana namono tena : zaza enin-taona kendan’ny tady fanahazan-damba

Zava-doza ny nanjo ilay zazalahy kely vao enin-taona. Matin’ny tady fanahazan-damba izy rehefa nanao kilalao, nisary hananton-tena. Nampalahelo ny nanjo ity fianakaviana iray tao Toamasina. Maty nihantona teo amin’ny tady fanahazan-damba eo an-tokontany ny zaza vao enin-taona, ny ta­lata lasa teo. Maty vokatry ny fanandrakandramana amin’ny maha ankizy azy. Nanao kilalao […]