Tranga

Hamonjy fahoriana : saika lasan’ny jiolahy ny entana rehetra

Voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly tolakandro, ny jiolahy nangalatra entan’olona teny amin’ny fian­tsonan’ny taksiborosy. Naharay antso ny polisy fa misy jio­lahy iray nihorakorahan’ny olona tratra teo am-pangalarana entana. Tonga ara-potoana ny polisy, voamarina ny fisian’ ny olon-dratsy. Tratra teo am-pibatana sakaosin’olona iray izy. Olona handeha hamonjy fahoriana ity saika […]

Bisikileta nofaohan’ny kamiao : renim-pianakaviana namoy ny ainy

Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray nanao taingin-droa tamin’ny bisikileta tao amin’ny fokontany Madiotsi­fa­fana, kaominina Ambaton­dra­zaka, omaly maraina. Kamiao lehibe iray no nifatratra tamin’ ny bisikileta nitondra azy. Tamin’ny 6 ora maraina, tsy nanampo na inona na inona ireo olona roa. Nanaraka azy ireo avy ao aoriana ilay kamiao. Tampoka, […]

Namaky varavaram-pasana : jiolahy iray maty voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny fokontany Fiadanankely, kaominina ambanivohitr’i Mahitsy, omaly maraina, ny iray amin’ireo jiolahy nikasa hamaky fasana. Telo lahy izy ireo no niaraka. Tratra teo am-pisokirana fasan’olona. Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana izy ireo tamin’io fotoana io. Nandositra avy hatrany izy telo lahy raha vao nahita ny […]

Dimy lahy nosamborina : ady tany nivadika famonoana olona

Disadisa nateraky ny ady lova hatry ny ela, namoy ny ainy novonoin’ny fianakaviana akaiky azy ny lehilahy iray. Hitan’ny zanaky ny maty anefa ireo nahavanon-doza. Dimy lahy, izay fianakaviana iray ihany, indray nanafika tokantrano iray tao Andranomamavo, fo­kontany Marofarihy, kaominina Mahavelo, distrikan’i Fara­fan­gana, ny alin’ny alahady 13 aogositra teo. Nanao […]

Nangalatra vatokely sy fasika: lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamanasy « carreau voalohany » Toamasina, ny alatsinainy teo ny raim-pianakaviana iray 45 taona. Raha ny angom-baovao, lehilahy iray mipetraka eo akaikin’ny toeram-pivarotana fasika sy vatokely fanamboaran-trano no naniraka azy hangalatra vatokely sy fasika an’olona iray manamboatra trano. Tsy lavitra teo amin’ny toeram-pivarotana no misy ity trano vao amboarina […]