Tranga

Olona iray maty… : kamiaobe nifandona tamin’ny taksiborosy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) mihazo an’i Mahajanga, omaly vao maraina. Kamiaobe iray no nifandona tamina taksiborosy Sprinter, teo amin’ny tetezan’Andranofeno Avaratra, distrikan’Ankazobe. Vokany, raim-pianakaviana iray nandeha tamin’ilay taksiborosy namoy ny ainy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandarimaria, avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo ity kamiaobe ity. […]

Tsy faly ny fokonolona: nanafika biraon’ny zandary, sivily efatra maty voatifitra

Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy roa voalaza fa dahalo. Tsy faly ny namany. Nanafika borigadin’ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Efatra hafa namoy ny ainy. Olona efatra maty, nisy naratra noho ny fifampitifirana teo amin’ny zandary, niaro ny biraony sy ny fokonolona mpanafika, tao amin’ny kaominina Tsima­zava, distrikan’i Mahabo, faritra […]

Lozam-pifamoivoizana: talem-paritry ny Asa vaventy namoy ny ainy

Niara-maty ny mpamily sy ny vehivavy iray hafa tao anatin’ny fiara tra-doza teo An­tsira, kaominina Antsoatany, distrikan’ Antsirabe II, omaly. Vaky kodiarana tampoka ny fiara tsy mataho-dalana nen­tin’ny talem-paritry ny Asa vaventy iray, tamin’ny 11 ora maraina. Nivadibadika ny fiara teo amin’ny PK 142+900. Vokany, maty tsy tra-drano ny vehivavy […]

Nosy-Be: Cash point nahatrarana vola sandoka 4 hetsy Ar

Noraisim-potsiny ! Hatolotra ny fampanoavana, aorian’ny famotorana azy, ireto olona voarohirohy tamina raharaha vola sandoka ireto. Vola sandoka mitentina 4 hetsy Ar no saron’ny polisy ao Nosy-Be tamina kioska iray afakomaly, rehefa nokasaina haparitaka ao an-toerana. Naharay antso tamin’ny polisy monisipaly ny avy ao amin’ny kaomisarian’i Nosy-Be momba ny fisiana vola […]

Saika horobaina : raim-pianakaviana maty gorobaky ny bala

Nokasain’ny jiolahy horobaina ny moton’ny lehilahy iray teny Andrefan’ Ambohijanahary, omaly. Niezaka nanavotra ny fananany izy saingy maty voatifitra . Namoy ny ainy! Voatifitry ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray, omaly, tetsy amin’ny Paraky, An­drefan’Ambohijanahary. Niala tao amin’ny trano fonenany vao mangiran-dratsy, nikasa haka ny zaodahiny izay monina tsy lavitra eo […]