Tranga

Fetim-pirenena : hamafisina ny fandriampahalemana any Toamasina

Mikarakara hetsika ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria foibe, Toa­masina, amin’izao. Mba ha­nomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena sy hanakaikezena ny vahoaka. Tan­jona ny hanamafisana ny fandriampahalemana sy ha­nentanana ny olom-pirenena hanangan-tsaina eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy. Misy ny fidinana ifotony eny anivon’ny fokontany, toerana be olona ary ireo faritra mafana (Mo­rarano, […]

Finday hosoka : mpisoloky saron’ny zandary

Mivarotra hosoka, tra-tehaky ny zandary tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy, etsy Mahazo, ny lehilahy iray, afakomaly. Mandresy lahatra ny mpividy hanjifa ny telefaonina eo aminy izy. Rehefa raikitra ny fifampivarotana, havadiny zavatra hafa ny finday anaty baoritra. Soloiny tranony fotsiny ilay finday tena izy. Lasa lavitra ny mpividy vao tonga saina. […]

Halatra sy herisetra : ankizy teo am-pandriana nofiraina antsy teo amin’ny lohany

Vaky nisy dian’antsy mihitsy ny lohan’ilay ankizy 9 taona iray nokapain’ny jiolahy ny antsy teo am-pandriana, tao Toamasina. Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy efatra nitondra fitaovam-piadiana tao Analankininina Hopita­libe Toamasina, parisela 12/21-22, ny herinandro teo. Niditra an-keriny tao an-trano ireo jiolahy ka niditra tao an’efitrano fandrian’ireo olon-dehibe. Nanambana basy sy antsy […]

Voly rongony: voasambotra ny telo lahy namboly 45 fototra

Noraisim-potsiny ireo mpivarotra rongony mahery vaika roa lahy sy ny mpamboly iray teo Ampisotroandra­nomasina, fokontany Fiadana­na, kaominina ambonivohitra sy distrika Manjakandriana, ny alin’ny 17 jona teo. Niton­dra moto, voasava tampoka ny lehilahy roa. Nosavaina, nahitana rongony maina 600 grama sy héroïne na “rôrô” 3 grama teny amin’izy ireo. Niampy fitaovana […]