Tranga

Andohanimandroseza: Dimy lahy maty voatifitra

Dimy lahy maty voatifitry ny zandary teny Andohanimandroseza, omaly atoandro. Voalaza fa jiolahy saika hanafika Villa izy ireo. Basy dimy tratra niaraka tamin’izy ireo. Maty rotidrotiky ny bala ireo dimy lahy izay nolazain’ny zandary fa jiolahy nandritra ny fifampi­tifirana teny Amparihikely, Tanambao Andohaniman­dro­seza (akaikin’ny masoivohon’i Norvège), omaly tamin’ny 11 ora […]

Fipoahana herinaratra: ravan’ny afo tanteraka ny « Espace Dera », eny Tsiadana

Nivadika lavenona tao anatin’ny minitra vitsy ny “Espace Dera” eny Tsiadana Ampasanimalo, omaly atoandro. Niparitaka tamin’ny orinasa hafa ny afo. Trano fandrasain-danonana malaza sady fisakafoana niampy orinasa roa hafa may, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy 28 minitra. “Niainga tao amin’ny efitra ambony rihana, espace Dera, ny afo”, hoy ny mpiasa […]

Trafika eny Ivato : Vovo-bolamena antsasa-kilao saika aondrana

Teratany Sri-lankais iray saika ho any Dubaï, mandalo Kenya, no tra-tehaka afakomaly folakandro, teny Ivato. Saika hanondrana an-tsokosoko vovo-bolamena 575 grama izy. Vovo-bolamena milanja 575 grama, saika aondrana an-tsokosoko any Dubaï no tratran’ny brigady iraisan’ny zandary sy ny polisy, ary ny fadintseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, afakomaly. Tompon’antoka ta­min’izany ny teratany Srilankais iray. Naka […]

Fiara nitondra razana tra-doza: niara-maty ny vadiny sy ny rahalahiny

Maty tsy tra-drano ny vadin’ilay lehilahy ho alevina sy ny rahalahiny vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN7, teo amin’ny kaominina Andiolava, distrikan’Ihosy, omaly maraina. « Niala alina tao Ilakaka io fiara io ary ni­kasa hihazo an’Androy hitondra ilay razana », hoy ny fanazavan’ny kapiteny, kaomandin’ ny kaompania Ihosy. Naharay antso tampoka izy […]

Fanafihana teny Talatamaty : nohidina tanaty gabone ny tompon-trano

Nisy nanafika ny fianakaviana iray monina eny Ambo­rompotsy Talatamaty, omaly maraina. Lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny volabe miten­tina 6 000 000 Ar sy ny fira­vaka maromaro, ary finday. Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina no nitrangan’izany, saingy efa ora roa taty aoriana vao nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana, izay tsy lavitra eo. […]