Tranga

Nisandoka ho zandary : voasambotra i Sefo Fidy

Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Ivato, omaly. Nitondra ny anarana Sefo Fidy, nisoloky olona maro tamin’ny alalan’io fisandohana andraikitra io ity lehilahy ity. Angalany vola ireo olona ary milaza ho mahavita mandamina raharaham-pitsarana koa izy. Rehefa anantonan’ireo olona nandoa vola taminy izy andro vitsy taorian’ny […]

Tsy nahay nampiasa basy… : tratra ireo jiolahy mpanao fanafihana

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria (CSP) Maintirano ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny faritra Me­laky, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny halatra mitam-piadiana. Naharay antso ny polisy, misy andian’olona mandroba sady mampiasa fitaovam-piadiana tamin’io fotoana io. Nandritra ny kerimesy tao amin’ny fokontany Maro­doka, CU Maintirano no ni­tran­gan’izany. Nambanan’izy […]

Antsirabe II : dahalo mpangalatra omby matin’ny fokonolona

Narian’ny havany hatramin’ny fatiny ! Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsirabe II, afakomaly. Nizara roa ny lohany. Tapaka ny tendany. Ma­tin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo iray tany Antsirabe II . Nalevin’ny fianakaviany sasantsasany toy ny nandevina biby ity mpangalatra omby iray matin’ny hatezeram-bahoaka tao Be­ma­hatazana ity. Nangalatra omby miisa […]

Analamahitsy : mpanendaka niharan’ ny fitsaram-bahoaka

Nanantena hahazo mora ny hatsembohan’ny sasany ! Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray voasambotry ny fokonolona tetsy Analama­hitsy, afakomaly hariva. Mi­andry ireo mpandalo mandeha an-tongotra anatin’ny lalana maizina mampitohy an’ Anala­mahitsy sy Nanisana ireto olon-dratsy ireto. Niisa telo izy ireo no nikasa hanao ny asa ratsiny. Sendran’ny fokonolona, nataon’ireto farany […]

Fiatrehana ny fetin’ny Paka… : polisy 1 580 hisahana ny filaminana eto Analamanga

Polisy manodidina ny 1 580 indray hisahana ny filaminana eto Analamanga mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka ho avy izao. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, 200 ireo polisy manara-maso eny amin’ireo fiangonana. Ho an’ny Avaradrano indray, 152 ireo polisy hahetsika ka 32 misahana eny amin’ny fiangonana raha […]