Tranga

Mirongatra ny fakana an-keriny: ataon’ny jiolahy fitadiavam-bola

Mirongatra indray tato ho ato ny trangana fakana an-keriny any amin’ny faritr’i Vonizongo. Tambajotra goavana mihitsy no miketrika ny raharaha. Tsy vitan’izay fa zary lasa ataon’ny jiolahy fitadiavam-bola izany. Na teo aza ny ezaka nataon’ny zandarimaria, mahazo vahana ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Maika manome vahana ny asan-jiolahy ny […]

Rn-2 – Toamasina : vehivavy iray matin’ny lozam-piarakodia

Azo lazaina ho nilamina amin’ny ankapobeny ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena (RN-2 sy RN-5) mihazo ny faritra Analanjirofo ary ny ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao anatin’ny herinandro nikirakirana ny fitaterana sy fanondranana vokatra letisia. Na teo aza izany, nisy ihany ny indrokely tamin’ireo mpampiasa ny RN-2 tamin’ny fitaterana letisia […]

Ambohitrarahaba : lehilahy maty norarafan’ny jiolahy tifitra

Hamonjy fodiana, maty voatifitry ny jiolahy nitam-basy teny Ambohitraharaba, ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray. Jiolahy efa-dahy nitondra moto roa nanafika mpamongady iray teny an-toerana ny zoma 23 novambra teo. Nitondra fiara ireo mpivarotra ka nandrasan’ireo jiolahy kendry tohina. “Efa na­naraka ireo mpivarotra na­nomboka tany Andravoahan­gy ireo jiolahy ary […]

Fanafihana sy halatra moto ao Toamasina: roa lahy voaheloka am-ponja dimy taona

Nomelohin’ny fitsarana ady heloka bevava ao Toa­masina dimy taona an-tranomaizina sy dimy taona tsy mahazo mandia faritra ireo roa lahy voampanga ho mpanao fanafihana sy halatra moto ao Toamasina, nandritra ny fotoam-pitsarana afakomaly. Sesilany ny fanafihana mitam-piadiana sy ny halatra moto tao Toamasina ny fiandohan’ny taona 2023. Jiolahy roa voasambotra, araka ny voalazan’ny antontan-tarata­sin’ady […]