Tranga

Nandritra ny volana marsa : olona 163 tratra nanao fandikan-dalàna

Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny polisy nandritra iny volana marsa iny. Olona 352 no natao fanadihadiana ka ny 163 amin’ireo tratra noho ny fandikan-dalàna. Olona roa maty voatifitry ny polisy rehefa avy nanatanteraka halatra mi­tam-piadiana. Ho an’ny halatra mitam-piadiana, olona enina tratra nanao izany ka ny efatra amin’ireo tratran’ny polisy raha […]

Manjakandriana : mpanao vola sandoka roa lahy nidoboka am-ponja

Nafangaron’ny olon-dratsy tamin’ny vola tena izy, nampiasainy nividianana kisoa ny vola sandoka. Tra-tehaky ny zandary izy ireo ka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Mody nanao trosa vi­dina kisoa, naiditra etsy Antanimora von­jimaika ireo roa lahy na­napa­ritaka vola sandoka tao Ambo­hitran­driamanitra, distrika Man­jakan­driana, afakomaly. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro fi­laminana ny olon-tsotra […]

Maibahoaka Ivato : jiolahy nahatrarana basy roa sy bala

Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika roa tetsy Maibahoaka Ivato, afa­komaly. Nahatsika­ritra io lehi­lahy io naneho fihetsika hafahafa ny olona teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanao ny fanamarinam-baovao ireo farany. Sarona teny aminy tokoa ny basy poleta iray. Nahitana bala […]

Nahavita 96 050 000 Ar… : telo lahy tratra nanao vola sandoka

Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanamboarana vola sandoka tratra tao Mananjary, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary no nahasambotra azy ireo taorian’ny fikarohana. Niainga avy ta­min’ny loharanom-baovao voarain’ny polisy no nahafantarana ny fisian’ireto olona ireto manamboatra vola sandoka ao Mananjary. […]

Halatra basy : tompon’antoka ny mpiandry fonja sy gadra

Mpiandry fonja telo sy voafonja telo indray naiditra am-ponja, afakomaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana momba ilay raharaha halatra basin’ny fonja ao Vavate­nina. Nihanivoatra hatrany ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka nahazoana izao vokatra izao, taorian’ny famotorana rehetra. Basy Mas 36 efatra niaraka tamin’ny bala marobe tao amin’ny fonjan’i Vavate­nina no […]