Mihamafy ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana eny amin’ny Politeknika Vontovorona. Omaly, niditra tany anatin’ny faritry ny oniversite ny mpitandro filaminana nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso. Nilaza ny mpianatra fa nisy vehivavy naman’izy ireo nodarohan’ny mpitandro filaminana. Mpianatra telo hafa nosamborina. Nanamafy kosa ny zandary ao an-toerana fa mpianatra mianadahy anisan’ireo […]
Tranga
Kaominina Befotaka : dahalo iray maty, omby 41 tafaverina
Ravan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo kalony ny halatr’omby nataona andian-jiolahy tao Ankapilaboara, fokontany Ilaza, kaominina Befotaka , ny alakamisy 16 marsa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, miisa 32 ireo dahalo nanao fanafihana. Voaroba ny omby 55 ka nirifatra nandositra izy ireo. Nampandre ny zandary eny an-kianja avy hatrany ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. […]
Ambohimanarina: mpamongady rongony nahatrarana 201 kg
Mamatsy rongony an’ Antananarivo ! Noraisim-potsiny ny olona dimy niaraka tamin’ny rongony 201 kg tetsy Ambohimiadana Ambohimanarina, afakomaly. Naharay vaovao avy amin’ny tsara sitrapo, nanao ny fanadihadiana nahafahana namongotra ity tambazotra mpivarotra rongony ity, ny eo anivon’ ny zandary. Voamarina fa misy mpivarotra rongony ikoizana tokoa ao amin’io toerana voalaza io. Nahazo […]
Miarinarivo : voafonja miasa manatsara tanàna
Miara-mientana amin’ny fampandrosoana ny tanàna ireo voafonja ao Miarinarivo. Mandray anjara mivantana amin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana « pavé » izy ireo. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana toy ny Governora Maherizo Andriamanana, ny DREFTP Itasy, ny kaomisarian’ny polisy Miarinarivo, ny ben’ny Tanànan’i Miarinarivo ary ny fandraharahana ny fonja. Miasa […]
Vaky trano sy fanendahana : efa-dahy naiditra am-ponja
Tsy mandry andro sy alina ny polisy avy eo amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention izay sampana anivon’ ny Commissariat Central etsy Bazary ary ambany fibaikoan’ny Commissaire central, Rakotondrainivonona Panoel Tsiky, izay vao nandray ny asany telo volana lasa izay. « Tsy maha olom-baovao ny fametrahana fandriampahalemana ho an’ny vahoaka », hoy izy. Vokany, […]