Tranga

By-Pass : fiarabe tapaka hisatra nifaoka olona telo

Tafavoaka sy avotra avokoa ireo olona miisa telo voatsindrin’ny kamiaobe iray tapaka hisatra teny By-Pass omaly maraina. Naresaka maraina teny By-Pass tsy lavitry ny biraon’ny polisim-pirenena. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo an-toerana tokony ho tamin’ny 07 ora. Kamiaobe iray mpitondra ranotany no tra-doza rehefa tapaka hisatra ka nifatratra tamin’ny sisin’arabe. Vokany, voasarika […]

Fanafihana Cash point: jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy teny 67ha

Nirefodrefotra indray ny poabasy nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy teny 67ha, ny asabotsy alina teo. Nanomboka hatrany Ampasika ny fifanenjehana ka tsy nifarana raha tsy teny 67ha, toerana nahavoatifitra ity jiolahy raindahiny ity. Polisy nanao fanamiana sivily no nifanehatra tamina andian-jiolahy nandeha moto teny Ampasika. Voalaza […]

Efa nokarohina hatry ny ela…: tratra ireo jiolahy roa mpivarotra finday halatra

Voasambotry ny polisy misahana ny heloka an’habaka Anosy, teny Ambodin’Isotry, ny talata teo, ireo mpangalatra finday gagilahy eto an-drenivohitra. Jiolahy nokarohina efa ha­try ny ela ireto roa lahy tratran’ny polisy. Raha ny fanazavan’ireto farany, maro ny fitarainana voarain’ity sam­pandraharaha ity momba ny fisian’olona mivarotra finday avolenta kanefa halatra sy tsy […]

Varotra Héroïne: lehilahy telo sy vehivavy iray voasambotra

Saron’ny polisim-pirenena ny alarobia teo ireo efatra mianadahy mpivarotra héroïne​ eny amin’ny faritra 67ha. Ny talata teo, nisy olona nitaraina  teny amin’ny polisy fa misy andian’olona manimba ireo tanora amin’ny varotra zava-mahadomelina. Vokany, nitsirika ireo olona voalaza ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray sy vehivavy iray no hita nijorojoro sady nampiahiahy. […]