Tranga

Mangarano: Jiolahy efatra saron’ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP2 Mangarano Toamasina, ny 3 janoary 2024 teo, ny jiolahy efatra tompon’antoka tamina fandikan-dalàna samihafa. Ny roa lahy amin’izy ireo tratra teo am-pangalarana cyclo-pousse tao Antetezantona. Efa maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana halatra ataon’ireto jiolahy ireto. Nidina ifotony ny polisy ka […]

VONO OLONA TAO Valpinson : Navotsotry ny fitsarana ireo voalaza fa jiolahy

Niakatra teny amin’ny fitsarana ady heloka bevava, ny 21 desambra 2023, ny raharaha fanafihana mitam-piadiana tao Valpinson Toamasina. Vola 6 tapitrisa Ar no very tamina trangana fanafihan-jiolahy, ny 19 janoary 2023. Nanao fanarahan-dia ny polisin’ny Fip taorian’ny fanafihana. Vokany, voasambotra ry Razafin­drakoto Be Nestor sy ny namany, araka ny voarakitra […]

Naolan’ny anadahiny : ankizy 11 taona misedra tsy fahasalamana

Misedra olana ara-pahasalamana ilay ankizivavy niharan’ny fanolanana tao Antsampanana Brickaville. Nianjadian’ny herisetra ara-nofo nataon’ny fianakaviany izy ny volana septambra 2023 lasa teo. Narary mafy izy vokatry ny fanolanana ka voatery nanaraka fitsaboana. Nentin’ny fianakaviany nihazo an’i Toamasina. Nataon’ny mpitsabo fizahana. Voa mafy ary nisy potika hatramin’ny taova tao anatin’ilay ankizivavy. […]

Lehilahy iray voasambotra; nodorany velona ny vadiny, norarahany lasantsy ny trano

Disadisa nitera-doza! Nodoram-badiny tamin’ny lasantsy tao an-trano ny renim-pianakaviana iray, tao Sambava, afakomaly. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy. Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza nandoro am-badiny tao Antsa­hapolisy, kaominina Bevo­notra, distrikan’i Sambava, afakomaly. Disadisa teo amin’izy mivady ireo no nitarika ny olana. Nohidin-drahalehilahy, araka izany, ny trano nisy ny […]

Antsiranana: miverina indray ny foroche

Tovolahy telo sy tovovavy roa avy amin’ny fikambanan’ireo tanora mpanao herisetra (foroche) no tratran’ny polisin’ny Fip tao Antsiranana, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisy ny zoma 29 desambra 2023, fa misy andian-jatovo mirongo antsy miady sy mifamaly ao Tanambao II. Tsy vitan’izay fa nandratra olon-tsotra iray izy ireo. Raha ny fantatra, […]