Tranga

Mahamasina : efa nalain-dreniny teny amin’ny polisy ireo zaza very

Taorian’ilay zaza very na­naovana antso avo tao amin’ny Kianja Barea Maha­ma­sina, ankizy efatra indray koa no nilaozan’ny mpiara-dia ta­min’ izy ireo. Natolotra ny po­lisy misahana ny ankizy tsy ampy taona (PMPM) ry zarao ka na­naovana antso avo tamin’izay ray aman-dreniny. Ton­ga naka ny zanany teny amin’ny polisy PMPM ny fianakavian’ireo […]

Toamasina: telo lahy nanendaka mpianatra voasambotra

Nanendaka mpianatra nirava, tra-tehaky ny polisy ny telo lahy nitondra antsy teo am-panaovana ny asa ratsiny tao Tanambao Verrerie, ny harivan’ny asabotsy 4 febroary teo. Niandry ny firavan’ny mpianatra, efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina izy ireo. Teo am-panatontosana ny fanaraha-maso ny filaminan’ny tanàna ny polisy tamin’izay. Nikasa handositra ireo olon-dratsy. […]

Haintrano: trano 11 kila forehitra, olona iray naratra

Nitrangana haintrano ma­ha­tsiravina tao amin’ny fokontany Aviavazaha, kaominina am­banivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenenina, ny alakamisy maraina lasa teo. Raha ny angom-baovao voaray,vokatry ny afon’afokasoka natao tamina kitay notondrahana solika fandrehitra no nahatonga ny loza. Nahazo ny rindrina falafa ilay afo ka niakatra nahazo ny tafon-trano vita amin’ny ravina. Nijoalajoala ny afo […]