Tranga

Basy tsy ara-dalàna: lehilahy vao avy nigadra tratra

Tsy mety fay! Voasambo­try ny zandarimaria, ny alarobia teo, i Naivobe, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Antanifotsy. Mpa­merin-keloka ny lehilahy ka izao tratra nitazona basy tsy ara-dalana izao. Ny alatsinainy teo, nahazo vaovao ny zandary ao an-toerana fa monina ao Andavabiby, fokontany Mora­rano ny lehilahy. Ny alarobia teo, nidina […]

Mpivarotra “méthamphétamine”: voasambotra ilay vehivavy vao nivoaka ny fonja

Tra-tehaky ny polisim-pirenena, afakomaly ilay tambajotra mpivarotra rongony mahery vaika “métham­phetamine” eto an-drenivohitra. Efa nigadra ny iray tamin’ireo vehivavy mpivarotra izany. Tra-tehaky ny polisy in­dray ilay vehivavy mpivarotra rongony mahery vaika sy ireo ekipany eto an-drenivohitra. Voasambotra ta­mina trano iray tetsy Tsia­zotafo, ny alakamisy teo, ireto jiolahy ireto. Sarona nandritra […]

Nanafika teny Ambohimalaza: jiolahy roa nadoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo jiolahy roa lahy malaza amin’ny vaky trano eny Ambohima­laza. Na­hazo fahafahana vonjimaika kosa ilay namany rehefa avy niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, ny alarobia teo. Tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao an-toerana, ny talata teo, ireo raindahiny mpamaky trano eny Ambo­hi­­ma­laza sy ny manodidina. Voasambotra nandritra […]

Toamasina : mpanao gazety fito lasibatry ny jiolahy

Niloa-bava ny farany, niantso ny tomponandraikitra sy ireo mponina ao Toa­masina hifarimbona amin’ny ady amin’ny asan-dahalo ny fi­kam­banan’ny mpanao ga­zety ao an-toerana (AJT), ny faran’ny herinandro teo. Nandri­tra ny taona 2022, mpanao gazety fito no indray lasibatry ny jiolahy tamin’ny fomba samihafa. Nisy ireo mpanao gazety very fitaovam-piasana sy orinasan-tserasera […]

Naiditra am-ponja: tovolahy nanolana zazavavikely efatra

Samy notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny fiakarany fampanoavana ireo roa lahy voasaringotra tamina raharaha fanolanana ankizy tsy ampy taona tao Toa­ma­sina, ny zoma lasa teo. Raim-pianakaviana iray mpi­asan’ ny kaominina ambanivohitra iray ao an-toerana no voatondro ho na­nolana ny zana-badiny. Niala sasatra tao amin’izy ireo ity zaza ity. Nony niverina tany […]