Tranga

Fanafihana amin’ny RN4 : dahalo telo lahy maty voatifitry ny zandary

Lavon’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy mpanakan-dalana amin’ny RN4, tao Analakida fokontany Mahatazantsoa, kaominina ambanivohitra Andranofasika, afakomaly alina. Nikonon­konona fanafihana, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary mpanao fisafoana alina ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, voan’ny balan’ny zandarimaria ny telo lahy. […]

Natahotra fitsaram-bahoaka : mpanendaka nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa

Nitsoraka tao Ikopa ilay mpanendaka natahotra fitsaram-bahoaka. Tsy nahay nilomano, niantso vonjy. Mainka novelesin’ny olona kobay ka nilentika. Tsy hay na maty na velona ! Vehivavy iray avy niasa, hamonjy fodiana eny amin’ny fokontany An­kazotoho Anosimahavelona, kaominina Anosizato Andre­fana no voalaza fa nendahin’ny jiolahy iray. Avy niala ta­min’ny taxi-be, nifanehatra […]

Fanafihana mitam-piadiana : jiolahy raindahiny lavon’ny zandary

Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana lavon’ny zandary tao Ambodijambarao, kaominina Manatatsandry, distrikan’i Ma­rovoay, afakomaly. Mpanga­latr’omby nifampitadiavana am-bolana maro ity nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana ity. Efa voasambotra ilay dahalo. Namita sazy saingy izao niverina nanao ny asa ratsiny izao indray. Nitsongo dia sy nanara-dia azy, noho izany, ny miaramila […]

Nitaky vola 2 tapitrisa Ar : ankizilahy iray nalain’ny dahalo an-keriny

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Be­sa­lampy tao amin’ny fokontany Ambohipisaky, ny faran’ny volana desambra lasa teo, ny olona efatra voarohirohy tamina halatra omby sy fakana an-keriny. Nahazo antso ny polisy momba ny fisiana trangana halatra omby ao Andrano­ma­menty, fokotany iray, 5 km miala an’i Besalampy. Raikitra ny fikarohana ireo […]

Vono olona tao Antsirabe: tra-tehaka ilay ramatoa atidoha nikotrika

Nokarohina hatry ny ela! Tratra afakomaly ny ramatoa iray mpamono olona. Namono vehivavy mpiasan’ny kaominina izy ka nandevina izany tao an-tokotaniny. Nataon’ny zandary hazalambo, voasambotra ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza tamin’ny fa­monoana ilay mpiasan’ny kaominina tao Antsirabe, ny volana oktobra lasa teo. Nilaza ho manana tany amidy io vehivavy nahavanon-doza io sy […]