Tranga

Fisafoana ataon’ny polisy: jiolahy sivy maty, 106 voasambotra

Tao anatin’ny tapa-bolana, nahatratra 106 ireo voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ireo fisafoana na­taony eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miisa sivy kosa ireo jiolahy lavo nandritra ny fifandonana. Tafi­ditra amin’izany ireo mpanao halatra miaro herisetra mitam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra. Tsy mitsahatra ny fisafoana na antoandro na alina ataon’ny polisim-pirenena, indrindra […]

Ankasina: mpanendaka roa lahy lavon’ny polisy

Lavon’ny polisim-pirenena, afakomaly, ny roa tamin’ireo jiolahy efa-dahy saika hanao ny asa ratsiny tetsy Ankasina. Nanararaotra ny orana nijojo ireo olon-dratsy, saingy nifanehatra tamin’ny polisy. Tamin’io fotoana io, vehivavy hamonjy fo­diana nandeha moto no lasibatr’ireo mpanao ratsy. Efa niandry teo amin’ny “rond point Mad Inox” izy efa-dahy. Araka izany, eo […]

Saika hamaky trano: mpangalatra notapahina ny rantsan-tanany

Sendran’ny nahay azy, voarasan’ny antsy be ny tanan’ny mpangalatra iray tao avaratr’Ampasinjeva, Mana­ka­ra, ny alahady hariva teo. Nikasa hangalatra tao amina tokantrano iray ity lehilahy ity. Nihidy avy any anatiny ny trano ka niezaka nanokotra karetsaka izy. Kinanjo, tsy nampoiziny fa hitan’ny tompon-trano ny tanany niezaka hamoha ny fanalahidy. Tsy […]

Anatihazo Isotry: mpangalatra finday tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy teo anivon’ny boriborintany fahefatra, ny faran’ny herinandro teo, ireo olona roa mpangalatra finday sy mpamaky trano. Asa ataon’ny eo anivon’ny polisim-pirenena ny hamongorana ireo asa ratsy rehetra eto amin’ny Nosy. Maro ny paikady entin’izy ireo miady amin’izany toy ny fidinana ifotony, araka ny fanazavana. Vokany, nifanehatra tamin’ireo […]

Mahery vaika ny dahalo: zandary sy olon-tsotra iray maty voatifitra

Nanaraka dahalo mpangalatr’omby, lavo nandritra ny sakoroka ny zandary iray sy ny olon-tsotra iray tao amin’ny fokontany Mariarano, kaominina Ankirihitra distri­kan’Ambatoboeny, afakomaly. Nitondra omby 16 avy any Mahatsinjo, fokontany Anjia­kely kaominina Madirivalo ireo dahalo nitam-piadiana. Nanao fidinana ifotony ny zandary raha nahare izany. Tao anatin’ny sakoroka anefa, lavo ny mpanara-dia […]