Nandriaka ny ra. Maty teo no ho eo ny lehilahy iray nitondra moto scooter teny amin’ny Rocade Iarivo, omaly hariva tamin’ny 7 ora sy sasany. Tsy nahafehy familiana ka matin’ny lozam-pifamoivoizana io mpitondra moto scooter io. Tra-doza teo amin’ny lalana tsy lavitra ny Rond-point Nanisana izy. Nandeha mafy io mpitondra […]
Tranga
Nikasa hitsoaka: Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisin’ny Fip
Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanenjehana jiolahy nataon’ny polisin’ny Fip tao Toamasina, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina. Nifanehatra tamin’ny kaomandin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, sy ireo namany ny jiolahy gagilahy amin’ny resaka vaky trano sy fanendahana tamin’io fotoana io. Efa namerimberina rahateo ny kaomandin’ny Fip fa tsy […]
Fito naratra teny Tsiadana: Taxi-be nifampitrongy, nivadika ny iray
Tapaka hisatra ny taxi-be an’ny zotra 119, afakomaly, teny Tsiadana. Notrongisiny ny fiaran’ny zotra 160 ka nivadika. Vokany, olona fito naratra, zazakely iray no tena voa mafy. Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona teny amin’ny fokontany Tsiadana, Afakomaly atoandro. Taxi-be roa no nifandona teny an-toerana. Nahatonga ny loza ny fahatapahana tampoka ny […]
Asan-jiolahy : roa lahy matin’ny fitsaram-bahaoka
Maty niharan’ny hatezeram-bahoaka ireo roa lahy tao Befandriana Avaratra, omaly atoandro. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra omby miharo vono olona tao amin’ny tanàna tsy lavitra an’Ankobakobaka izy ireo. Notafihin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray ary lasan’ izy ireo ny omby folo, ny herinandro lasa teo. Nofatorana ny olona sasany tamin’ireo voaroba. […]
Mitentina 175 tapitrisa Ar: naiditra am-ponja ireo nangalatra kofehy
Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ireo mpiasa tompon’antoka tamina halatra tao amina orinasa afakaba iray eny Tanjombato. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, nitrangana halatra tao amina orinasa iray teny an-toerana. Nahaverezana kofehy fanamboarana akanjo tao amin’io orinasa io. Milanja 596 kg, mitentim-bidy 175 tapitrisa Ar […]




