Nivaly ny didim-pitsarana fa midoboka dimy taona any am-ponja, sazy mihatra, ny lehilahy iray atao hoe Fortuno. Mpanaparitaka rongony mahery vaika tao Toamasina, ny 22 desambra teo. Voasaringotra tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina izy sy ny namany efatra mianadahy hafa. Nokasain’ireo haondrana tao Toamasina ireo héroïne avy any Nosy Be ireo. Nalefan’ireto […]
Tranga
Tsy fandriampahalemana: mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona, teny Ankeniheny, ny zoma, teo noho ny halatra nataony. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tratra ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny polisim-pirenena ka voasoroka izany. Vokany, natolotra ireo mpitandro filaminana ny tenany hanohizana ny famotorana. Ankoatra ity, jiolahy iray koa no tratra teo […]
Nohon’ny COVID – 19: nasorina tamin’ny asany i Felix
Anisan’ny raim-pianakaviana, manao noely eny an-dalambe ihany koa i Felix. Raim-pianakaviana 40 taona. Taorian’ny krizin’ny valan’aretina Covid 19, maro ireo orinasa nikatona. Isany niharan’ny fahaverezan’asa izy. Tsy vitan’izany, mbola nilaozam-bady ihany koa. Niasa tamin’ireny orinasa tsy miankina, mikirakira vy ireny saingy lasa 4’Mis. Mankalaza ny noely samirery izy, araka ny […]
Nandratra ankizy: ramatoa nosamborin’ny polisy
Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha momba ilay ramatoa iray voatondro ho nandratra ankizivavikely 13 taona. Nitaky vola tamin’io vehivavy io izy saingy herisetra no natao azy. Mpivarotra pirina ny renin-drazazavavy ka nividy izany ilay ramatoa voalaza etsy ambony. Tsy nomeny anefa ny vidin’izany ka nirahin’ny reniny naka ilay vola tany […]
Saika handroba: dimy lahy nirongo basy noraofin’ny polisy
Tra-tehaky ny polisy, ny alarobia teo, ireo dimy lahy saika hanao fanafihana mitam-piadina tao Mahabokely, distrika Mahabo. Fantatry ny mpitandro filaminana ny teti-dratsin’ireto totakely ka nokarohina avy hatrany. Araka izany, hita tokoa fa nisy andian’olona miisa dimy nirongo fitaovam-piadina, niditra tamina tokantrano iray. Niditra an-tsehatra ny polisy nisambotra ireto farany. […]