Tsy matahotra ny manindrona antsy sy vy maranitra ny lasibatra ireo vehivavy anatin’ny “bande de 10”. Sady manendaka, mamono olona, no manafika mitam-piadiana izy ireo Manao ny ataony koa ny vehivavy! Miseholany indray ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ao amin’ny kaominina Toamasina II tato ho ato. Maro ireo niharan’ny herisetra […]
Tranga
Ambohimangakely : saika handositra, voatifitry ny zandary Rasala
Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny tao Ambohitrakanga, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, ny 8 marsa teo. Namoahan’ny zandary taratasy fikarohana izy. Nifanojo tamin’ny zandary iray namita iraka teny 67 Ha izy ka voasambotra. Nentina natao famotorana, nitoroka ireo niray tsikombakomba taminy izy. Nentina hanondro ireo mpiara-miombon’antoka taminy. Nivadika ny lehilahy rehefa […]
Efa nigadra indroa : mpisandoka ho tafika voasambotra
Nosamborin’ny zandary noho ny fisandohana andraikitra sy fisolokiana tao Ambohimalaza, ny 7 marsa teo, ny lehilahy iray sy ny sakaizany. Mitonon-tena ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny Primatiora ity mpamerin-keloka ity. Mbola milaza ho mahavita mampiditra ireo rehetra nahavita fanompoam-pirenena ho miaramila izy. Reseny lahatra ireo lasibany fa azony atao koa […]
Nalefa eny Tsiafahy : roa lahy namono mpamily taxi-moto
Maty nokofonina tamin’ny “big boss”, teny Mahitsy, ny mpitondra taxi-moto iray. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireo roa lahy ahina ho namono azy. Voasambotra tao Soavimasoandro, ny talata 5 marsa lasa teo, ireo roa lahy namono mpanao taxi-moto iray. Nahita sera, nitondra olona tany Mahitsy ilay tovolahy vao 24 taona. […]
Nandritra ny telo taona: tratra ilay rangahibe nanolana ny zanany vavy
Io indray koa! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, teny Anosizato Atsinanana, omaly, ny rangahibe iray 63 taona nanolana ny zanany vavy. Ny mpiara-monina aminy eo Anosizato no nampandre ny polisy momba ny fisian’io rangahibe manao fihetsika feno habibiana amin’ny zanany vavy 18 taona io. Tonga […]




