Tranga

Efa nokarohina hatry ny ela…: tratra ireo jiolahy roa mpivarotra finday halatra

Voasambotry ny polisy misahana ny heloka an’habaka Anosy, teny Ambodin’Isotry, ny talata teo, ireo mpangalatra finday gagilahy eto an-drenivohitra. Jiolahy nokarohina efa ha­try ny ela ireto roa lahy tratran’ny polisy. Raha ny fanazavan’ireto farany, maro ny fitarainana voarain’ity sam­pandraharaha ity momba ny fisian’olona mivarotra finday avolenta kanefa halatra sy tsy […]

Varotra Héroïne: lehilahy telo sy vehivavy iray voasambotra

Saron’ny polisim-pirenena ny alarobia teo ireo efatra mianadahy mpivarotra héroïne​ eny amin’ny faritra 67ha. Ny talata teo, nisy olona nitaraina  teny amin’ny polisy fa misy andian’olona manimba ireo tanora amin’ny varotra zava-mahadomelina. Vokany, nitsirika ireo olona voalaza ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray sy vehivavy iray no hita nijorojoro sady nampiahiahy. […]

Halatra vy: lasibatra ny varavaram-pasana

Tratra ambodiomby teny Ambohitreno-Ambohimalaza omaly, ireo roa lahy nibata varavaram-by miisa sivy teny an-toerana. Mbola nahitana rojo sy “cadenas” avokoa izany, hoy ny zandarimaria. Voalaza tao anatin’ny  famotorana fa varavaram-by amin’ireo fasana eny amin’ny manodidina daholo izany. Tsy nijanona teo ny fanadihadiana, voasambotra ihany koa ny vehivavy iray mpandray ireo […]

Kolikoly: lehiben’ny Cisco naiditra am-ponja

Toarian’ny niakarany fitsarana teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly ( PAC) ao  67 Ha, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana eo anivon’ny disitrikan’ i  Vavatenina, ny  alakamisy  9 febroary teo.   Voasaringotra tamin’ny raharaha fanodikodinam-bola ny “caisse école”  tao an-toerana, voatondro ho nanao fanararaotam-pahefana koa ity lehiben’ny Cisco ity. Naharitra ora […]