Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Amindrasahona, kaominina ambanivohitr’i Talata Ampano, omaly hariva. Latsaka tao amin’ny tetezan’i Berangitsa izy rehefa nihazo an’ny Fianarantsoa. Raha ny fantatra, vaky ny kodiarana havanana alohan’ny fiara ka nitarika ny loza. Vokany, olona dimy naratra nahitana zazakely valo volana iray. Efa noentina any hopitaly […]
Tranga
Fifampitifirana: jiolahy 10 voasambotra, telo matin’ny polisy
Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny polisim-pirenena ao Mahajanga manoloana ny ady amin’ny asan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika. Jiolahy telo maty voatifitra raha azo sambo-belona ny naman’izy ireo. Mpangalatra 10 mianadahy voasambotry ny polisy tao Mahajanga, ny asabotsy teo. Miisa telo kosa maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonan’ny roa […]
Lasa ny vidin’entana: mpivaro-mandeha voatifitry ny jiolahy
`Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy azy ny mpivaro-mandeha iray tao amin’ ny fokontany Anivorano, kaominina ambanivohitra Zafindrafady, distrikan’i Vohipeno ny 01 desambra teo. Teny an-dalana, narahin’ireo olon-dratsy ity raim-pianakaviana ity. Norobainy tamin’izany ny vola. Tsy vitan’io, nikasa hiaro tena ilay mpivarotra ka notifirin’ireo jiolahy. Voa tamin’izany, ny felatanany […]
Mpangalatra finday: nilaza ho nirahin’ny kalanoro
Saika niala hatramin’ny mahalehilahy! Niditra tao amina tsena iray tao Ambatondrazaka renivohitra ny mpangalatra iray, omaly tolakandro. Somary variana ny tompon-tsena ka nofaohin’ity lehilahy ity ny finday raitra niranty. Tsikaritry ny olona anefa ny fivoahan’ity olon-dratsy ity. Nitondra ny finday raitra, nifanotofan’ny daroka nataon’ireo olona manodidina izy. Nentin’ny hatezerana, efa […]
Fitsaram-bahoaka: mpangalatra roa lahy maty voadaroka
Naratra mafy vokatry ny daroky ny fokonolona, maty tsy tra-drano ireo mpangalatra roa lahy tra-tehaka tao Ambohibary, kaominina Ambodirina, distrikan’Antanifotsy, omaly maraina tamin’ny 02 ora. Tsy nanampo ny fisian’ny mpiambina, raikitra ny sakoroka teo amin’ireo mpangalatra sy ireo tompon’entana nangalarina. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’ izany ny kisoa, vorono ary hatramin’ny dokotra. […]