Tranga

Efatra andro nifampitadiavana : Ramatoa hita faty nananton-tena

Hita faty nananton-tena tao an-tranony Ambohijana­hary, kaominina ambanivohitra Didy, distrikan’Ambaton­dazaka, ny sabotsy 22 jolay teo, ny vehivavy iray. Nifam­pitadiavana nandritra ny efatra andro izy. Lany haika ny fianakaviany. Noho ny faharenesana fofona hafahafa manodidina ny trano fonenany, taitra ireo havany. Tapaka ny hevitra fa hosokafana ny trano. Voamarina fa nihidy […]

Hetsika “Tselatra” : mpaka an-keriny telo lahy lavon’ny bala

Nifanehatra tamin’ny miaramila nanao fisafoana, voatifitra ny jiolahy telo lahy, mpaka takalonaina nikoizana. Maty tao Morarano, kaominina ambanivohitra Ambohibary, anatin’ny fari-piarovana Ikopa, izy ireo, omaly. Mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy hafa. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny tao amin’io kaominina io izy telo, ny 26 jona lasa teo. Nitsoaka nandositra avokoa […]

Milaza ho mahita vazaha mpividy : tratra ny jiolahy iray milaza fa manana mena-bato

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny “brigade territorial” Toamasina, eo ambany fibaikoan’ny GPHC Raherison Susthéne ny lehilahy iray mpisoloky milaza ho manana mena-bato sy vola iray baoritra. Milaza ho manana mena-bato sy mahita vazaha mpividy izany ity lehilahy mpisoloky ity. Efa fomba fiasa fakany vola aman’olona izao fisolokiana izao. Tsy vitan’izay […]

Analavory : dahalo telo lahy maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy. Namoy ny ainy ny dahalo telo lahy nangalatra omby tao Ankazomasina, fokontany Amparaky, kaominina Analavory, afakomaly alina. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona fa manafika ao an-tanàna ny olon-dratsy efatra mitam-piadiana. Nentin’izy ireo nandositra ny omby roa. Nanara-dia niaraka amin’ny tompon’omby very avy hatrany ny zandary notarihin’ny […]