Nitrangana haintrano indray teny Ambohimanarina ampitan’ny tsena, omaly maraina. Antso vonjin’ny ankizy no nanaitra ny manodidina. Niredareda ny afo izay voalaza fa niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra. Tokantrano enina, monina ao anatin’ny trano telo, hotohoton’ny afo. Nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ny mponina manodidina. Tsy nisy ny aina nafoy. Mpitondra […]
Tselatra
TSELATRA
Nodorana tany Ankadilalambe, afakomaly, ireo rongony 42 kitapo tratran’ny Polisim-pirenena tany Ihosy. Nitarika ny fandorana izany ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ihosy. Notronin’ny lehiben’ny kaomisaria Ihosy, ny Prefet, ny Governora ary ny avy amin’ny Zandarimaria. Tratra ny 11 mey teo ny rongony 34 kitapo tamin’ny lalam-pirenena […]
TSELATRA
Tsy fanarahan-dalàna. Moto enina miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra teny Ambohijatovo, naiditry ny polisy am-balam-pamonjana, omaly. Tsy fitandremana sy tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana tahaky ny nataon’ireo mitondra moto enina tratra ireo matetika no mitarika ny loza an-dalambe. Tafaverin’ny mpitandro filaminana tamin’ny tompony ireo omby fito lasan’ny jiolahy tany Maevatanàna. […]
TSELATRA
Tovolahy iray 17 taona tratra nangalatra fiara miisa roa teny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Novakiany sy nosokafany tsirairay ireo fiara, nataony “contre-attaque” ary natosiny mora. Mbola saika hangalatra bateriana fiara Mercedes-Benz iray teny an-toerana izy saingy henon’ny mpiambina. Nandositra tany amin’ny toerana nisy ireo fiara saika hangalariny […]
TSELATRA
Pretra teratany vahiny namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana nanjo azy tao Manandona, Antsirabe, ny alarobia 21 mey teo. Nifandona tamin’ny kamiao ny fiara tsy mataho-dalana nentin’io niharan-doza io. Niezaka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo nanatri-maso saingy tsy tana ny ainy. Miasa ao Fianarantsoa io Pretra tra-doza io. Saron’ny […]