Lehilahy iray 36 taona voasambotry ny polisim-pirenena noho ny fisolokiana sy fandrahonana mpampiasa Cash-point iray teny Ankaraobato, Ankadilalampotsy, afakomaly hariva. Nidina teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny UIR sy Ankaraobato vantany vao nahazo fitarainana. Nangataka hametraka vola 150 000 Ariary ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nety nanome ny vola […]
Tselatra
TSELATRA
Vehivavy mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana teny Ampitatafika, afakomaly. Nahatrarana fonosana rongony am-polony teny aminy. Milanja 400 grama ny rongony izay nokasainy hamidy. Atao famotorana izy alohan’ny hanolorana azy eo anivon’ ny fampanoavana. Roa lahy mpisoloky karohin’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny kaomisaria foibe Atsimondrano Tanjombato, omaly. Nivadi-pitokisana sady […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny teratany tanzaniana iray tra-tehaka tetsy amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato. Voarohirohy ho anisan’ireo mpanao trafika sokatra sy mpanondrana izany antsokosoko any ivelany izy io. Voasambotra ny 17 oktobra 2026 lasa teo ny tenany, raha nikasa hiditra teto Madagasikara. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny trafika sokatra miisa 1552 […]
TSELATRA
Fiara tsy mataho-dalana iray tafavoaka ny lalana teo akaikin’ny Rond-point Don Bosco Ivato, afakomaly alina. Nisy vehivavy niseho tampoka nipetraka teo amin’ny seza alohan’ny fiara. Taitra ny mpamily nahita izany ka niteraka ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy tamin’izany. Naneho ny alahelony, manoloana ny fitarazohan’ny […]
TSELATRA
Trano misy rihana roa nirehitra tetsy Antanimena, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, enina minitra taorian’ny antso. Fifampikasohana herinaratra tao amin’ny «compteur », ny « cage d’escalier », no voalaza fa anton’ny firehetana. Tsy nisy […]





