Ankizy lahy roa, 14 sy 16 taona, namoy ny ainy, omaly maraina, tany amin’ny kaominina Marolafy, distrikan’i Toliara Faharoa. Nilalao fitaovam-piadiana mahery vaika antsoina hoe: Grenade, izy ireo saingy nipoaka tampoka izany ka nipitika sy nahavoa azy ireo. Vokany, naratra mafy ka maty tsy tra-drano ny iray, raha adiny iray […]
Tselatra
TSELATRA
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tetsy Ilafy, ampitan’ny Somacou, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any. Lehilahy iray mpiasa ao amin’io orinasa io no maty voadonan’ny fiara karetsaka iray teny an-toerana. Nandeha mafy ny fiara, naratra mafy noho ny dona nahazo azy ilay rangahy ka nitarika azy […]
TSELATRA
Lehilahy hita faty tao amin’ny Tsena «Plaque» Akademia Antsirabe, omaly. Nisy afo efa maty teo akaikin’ity lehilahy namoy ny ainy ity. Anatin’ny fanadihadiana momba ny nahatonga ny tranga ny tomponandraikitra miasa ao an-toerana. Zaza vao roa taona latsaka tao an-davadrano ka tsy tana ny ainy, tao Andranonahoatra, fokontany Ihazomay Atsimo, […]
TSELATRA
Notanana am-ponja, afakomaly, voasambotry ny polisin’ny Fip, ny jiolahy nanafika mpivarotra iray tao amin’ny Cité Valpinson, Toamasina, ny harivan’ny alakamisy 20 aogositra. Niantso vonjy ny mpivarotra ka nifanenjehan’ny fokonolona ireo mpanao ratsy. Tratra ny iray ary nahitana fitaovam-piadiana teny aminy. Vehivavy nisoloky vola an-tapitrisa voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly. […]
TSELATRA
Mpangalatra ikoizan’ny mponina eny Ankadifotsy Befelatanana voasambotry ny polisy afakomaly. Voarakitra tao anaty horonantsary avokoa ny fihetsik’io lehilahy io ka noraisim-potsiny taorian’ny antso voarain’ ny polisy. Enina mianadahy mpanaparitaka vola sandoka voasambotry ny polisy tao Talatamaty, kaominina Fianarantsoa, afakomaly. Nitondra vola roa alina maromaro ireo tanora ireo. Voamarina fa sandoka […]




