Tselatra

TSELATRA

Lehilahy iray nitondra moto, maty nianjeran’ny hazo tany Betaikankana Ambodiampana, Bealanana, omaly tolakandro. Voalaza fa nisy olona nanapaka ilay hazo ka nianjera teny amin’ny lalana. Sendra nandalo teo anefa ity mpitondra moto ity no nianjera ilay hazo. Marihina fa an-dalana hamonjy fodiana any Antsohihy izy no izao tra-doza izao. Notanterahina […]

TSELATRA

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy tratra nibata vy halatra tao amin’ny kaominina Ala­sora, omaly. Nendahin’izy ireo tamin’ny tranon’olona ireo vy fiarovana teo amin’ny varavarana. Nentina natao famotorana izy roa lahy. Lehilahy nahatrarana basy tsy ara-dalàna tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia 15 oktobra lasa teo. Nogiazan’ny mpitandro filaminana […]

TSELATRA

Tsena mitafo bozaka maro may tao Antani­mary, kaominina Ambanivohitra Ambatomivary, disitrikan’i Betroka, omaly atoandro. Niara-nisalahy namono ny afo ny fokonolona sy ny tomponandraikitra any an-toerana. Efa manokatra ny fanadihadiana ahafantarana ny anton’ny fahamaizana ny mpitandro filaminana. Nirotsaka an-dalambe nampianatra lalàna mifehy ny fifamoivoizana ho an’ireo mpamily Taxi-Ville sy Taxi-moto ao […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisy ny jiolahy nangalatra moto tao Miadana, kaominina Alasora, afakomaly. Nan­dositra tany Antsirabe izy taorian’io. Nanao fanarahan-dia ny mpitandro filaminana ka tratra ity mpangalatra ity. Notanana vonjimaika any am-ponja, afako­maly, ireo roa lahy sarona nanao asa fanendahana teny Ambohitrarahaba. Vehivavy miisa roa nendahin’ireo olon-dratsy. Nifanena tamin’ny mpitandro filaminana […]

TSELATRA

Nahemotra amin’ny 10 novambra 2026 ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana an’ilay mpamily tra-doza tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, ny talata 8 septambra 2026 lasa teo. Raha toa ka tokony ho natao omaly izany. Mbola misy taratasy andrasan’ny eo anivon’ny fampanoavana ka antony nanemorana ny fotoam-pitsarana. Tsia­hivina fa olona dimy no namoy […]