Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Hatao any Kazan Russie, ny 21 hatramin’ny 29 febroary izao ny fifaninanana iraisam-pirenena “Phygital Basketball”, taraja basikety. Malagasy mpilalao efa-dahy no hisonlotena an’i Madagasikara, ahitana an’i Rick-Ley, Marco, Bila ary i Ibrahim Aziz, izay mitondra ny anarana “Antananarivo”. Tsara fanombohana ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League, […]

INDRAY MIJERY

Hankalazaina ny 21 feboary ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny. Hisy hetsika ara-tsiansa karakarain’ny ivontoeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary olona eny anivon’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny siansa maha olona, oniversiten’Antananarivo. Ny lohahevitra hoe “teny ma­lagasy ahefan-draharaha” no hifampizarana ao amin’ny Amphi ehibe EGS DSP Ankatso. Nitsidika […]

VAOVAO TAMBATRA

Natao omaly ny famindram-pitantanana ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Mpandrindra ankapobeny ny tetikasa, ao amin’ny vondrona mpandrindra ny tetikasa ao amin’ity departemanta ity. Mitana izany andraikitra izany indray izao, Rtoa Rajaonarivo Lalao Mbolatiana, nisolo an-dRtoa Rasolondraibe Elza Hantasoa. Tafapetraka any Jangoa, kaominina sady distrika Ambanja, ny toerana fitahirizana hazandranomasina. […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny lalan’i Ken. Taorian’ny nialany tsy ho mpikambana ao amin’ny tarika Mage 4 intsony, efa na­nambara i Ken fa hanjohy lalan-kafa amin’ny mozika. Maro ireo tsindriandaona te haheno ny karazana mozikany, ka hamoaka hira telo avy hatrany izy, «Baikon’ny fo», «Ry fanadinoana» ary «Saw lany». fantatra fa hivoaka amin’ […]

FANTINA sy FINTINA

Nisy ny fihaonana teo amin’ Andriantsitohaina Naina, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, sy i Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny famelomana indray ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny fiarovana ny tany sy fanavaozana ny fananan-tany no votoatin-dresaka tamin’izany. “Be kajikajy politika loatra […]