Mpitondra moto niaraka tamin’ny olona nentiny tra-doza tampoka teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy, mihazo an’i Foulpointe, omaly. Nidona tamin’ny sisin-dalana ny moto ka olona iray namoy ny ainy. Naratra mafy ny namany. Manamafy ny fisavana ireo fiara mifamezivezy eny amin’ny lalam-pirenena voalohany RN1 Bis ny zandarimaria, ny 29 oktobra lasa teo. […]
Tselatra
TSELATRA
Tafaverin’ny polisim-pirenena tamin’ny tompony, ny 27 oktobra 2026 teo, ny moto iray nisy nangalatra tany Betroka. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisy sy ireo andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany Tanakompania, nahafahana nahita izao vokatra izao. marihina fa nisy nangalatra ny 25 oktobra lasa teo io moto io. Nisaotra ny Fitondrana fanavaozana […]
TSELATRA
Mitohy ny fisavana ny mpitondra moto ataon’ny mpitandro filaminana eto an-dRenivohitra. Fampanarahan-dalàna sy hisorohana ny lozam-pifamoivoizana no anton’io hetsika manokana io. Takin’izy ireo, anatin’izany, ny fanaovana aroloha sy ny fanajan’ireo mpampiasa moto ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Tsy nisy nanara-dia noho ny tsy fahampian’ny isan’ny mpitandro filaminana miasa ao Beravina […]
TSELATRA
Ankizy iray maty voakaikitry ny alika tao Miadana, iray hafa tao Ambodivondava, kaominina Alasora. Ity farany izay mbola manaraka fitsaboana any amin’ny Institut Pasteur Avaradoha, amin’izao fotoana izao. Miiba avokoa ny valin’ny fitiliana haromotana tamin’ireo zaza ireo. Entanina ny tompon’alika mba hanao vaksiny ny biby sy tsy hamela azy ireny […]
TSELATRA
Olona efatra tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny kaominina Alasora, omaly. Nihinana « composé » anaty barquette izay hamidy mandehandeha ny roa tamin’izy ireo. Nihinana « soupe commando » ny roa ambiny. Nentina notsaboina tany amin’ny CSB II Alasora izy ireo. Noho ny hamafin’ny aretina, nalefa any amin’ny hopitaly Ambohimangakely taorian’izay. […]





