Daniel Ramoroson Trio, etsy amin’ny No Comment Bar. Hitondra ny hira vokatry ny tany, misy fototra nentim-paharazana indray ry Radany Marovany sy ny ekipany, anio manomboka amin’ny 8 ora alina, eny Isoraka. Marivany, gitara ary amponga no hanaraka ireo hira nosafidina handrotsy sy hanainga ny fanahin’ireo ho avy hianoka izany […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Nidina 49,6 % ny vokatra lavanila naondran’i Madagasikara, taorian’ny fampihenana ho 38,8 % ny habeny sy ho 17,6 % ny vidiny. Nihena ho 9,6 % ny vola azo avy tamin’ny fanondranana jirofo taorian’ny fampihenana ny habeny ho 14,7 % na teo aza ny fisondrotan’ny vidiny, manodidina ny 6 %. Olona […]
TSELATRA
Lehilahy iray hita faty tsy nisy voamaso tao Antanimieva, distrikan’i Morombe, omaly. Niharan’ny vono nataon’ny mpangala-boamaso io raim-pianakaviana io. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakany ka nampandre ny manodidina. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tanora dimy lahy mpikambana anaty fikambanana mpanakorotana naiditra am-ponja ao Antsiranana, afakomaly. Ivondronan’ireo […]
INDRAY MIJERY
Nampiomana ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, fa ahina ny fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina any amin’ny faran’ny herinandro. Hitoetra ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, ho an’ny roa andro voalohany. Hikisaka any amin’ny tapany avaratry ny Nosy kosa izany manomboka rahampitso. Efa nivoaka ny tetiandro […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanainga, anio, hihazo an’i Qatar, ny solontena malagasy, taranja lomano, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Malagasy mpilomano roa no fantatra fa hifaninana amin’izany, ahitana an’i Tendrinavalona Idealy sy Rahavel Jonathan. Vonona ny hiaro ny voninahi-pirenena ireto solontena ireto. Lavon’ilay maraokanina mpilalao tenisy, Karim Bennani tamin’ny seta 2 no ho […]