Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Efa vita ny fanarenana eo amin’ny lalam-pirenena RN4, sampanan-dalana Anjajia, PK437. Eo koa ny fanamboarana ny tetezan’Antanambao Andranoava, PK498+400, sy ny tetezamby eo Mangapaika, PK 505. Manampy ireo ny fanarenana ny lalana eo amin’ny PK466, akaiky ny tananan’i Beforona. Vita ny 1 febroary teo ireo asa ireo, avy amin’ny tetikasa […]

INDRAY MIJERY

Hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano, manakaiky ny Analamanga Park, ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin’ny minisitra, Andria­manantany Zely, amin’ny alakamisy izao. Aman’aliny ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatontosa izany. Nidina tany Itasy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo, nanatanteraka fambolen-kazo faobe niaraka tamin’ny mpiara-miasa. […]

Sombim-baovao

Hotanterahina ny 17 febroary ho avy izao, eny Soavina, ny «Gala des Champions», taom-pialalaovana 2023, taranja Moto. Mpilalao moto miisa 78 sy mécaniciens 3 no hahazo mari-pankasitrahana eny an-toerana. Tsiahivina fa mialoha ity lanonana ity, hisy ny fifaninanana nasionaly, ny 11 febroary, hatao any Antsirabe. Nigadona eto an-tanindrazana, ny alarobia […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny he­tsika «Takalo dinika amorom-patana 2024». Lahadinika ny hoe “Taom-baovao: Riba ela sy vao”, notarihin’ny Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean sy Ranjatohery Harilala. Isaky ny sabotsy voalohany sy alahady fahatelo amin’ ny volana no anaovana ny he­tsika ary an-jotra sy azon’ny rehetra atrehina amin’ny alalan’ny fisoratana […]

FANTINA sy FINTINA

Hamolavola hetsika ny komity teknika faha-77 taonan’ny 29 marsa. Nivory ny herinandro teo izy ireo. “Hanamarihana izany ny famelo-maso ny tantara, ny fampitana ny fanilo amin’ny taranaka”, hoy ny filoha mpitarika ny fikarakarana, ny Jly Randrianantenaina Emilson. Handalo eny amin’ny Antenimierandoholona hankatoavina, taorian’ny nandanian’ny depiote azy ireo volavolan-dalàna roa: ny […]