Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Hamolavola hetsika ny komity teknika faha-77 taonan’ny 29 marsa. Nivory ny herinandro teo izy ireo. “Hanamarihana izany ny famelo-maso ny tantara, ny fampitana ny fanilo amin’ny taranaka”, hoy ny filoha mpitarika ny fikarakarana, ny Jly Randrianantenaina Emilson. Handalo eny amin’ny Antenimierandoholona hankatoavina, taorian’ny nandanian’ny depiote azy ireo volavolan-dalàna roa: ny […]

TSELATRA

Voasambotra ilay namono mpitsabo mpanampy, ny 23 septambra teo, tao Vohilengo- Farafangana. Naiditra am-ponja ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy. Nifanena taminy tao anaty haizina, notolominy ary nanamparany ny filan-dratsiny io mpianatra ho mpitsabo io. Notsindrominy tamin’ny vy ny fivaviany taorian’ny filan-dratsiny ary nodarohany tamin’ny hazo ny tendan’ilay vehivavy. Tratra […]

Sombim-baovao

Nifindra klioba ao amin’ny Zanakala FC, i Naina Avizara, vodilaharan’ny Fosa Junior Boeny, teo aloha. Araka ny vaovao voaray omaly, hodimbiasan’i Christian na i Voay ny toeran’ity mpilalao ity ao amin’ny Fosa. Tsiahivina fa i Naina Avizara, anisan’ireo Malagasy mpilalao nandrafitra ny Barea de Madagascar tamin’ny “Chan Algérie 2022”. Hotontosaina […]

Vaovao tambatra

Niampy 35 ireo « cadres supérieurs en planification » navoakn’ny Ivontoerana malagasy momba ny teti-pivoarana (IMaTeP). Andiany faha-32 ireto nivoaka omaly ireto, rehefa avy nanaraka fiofanana nandritra ny roa taona. Ray mpiahy azy ireo ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana, Rajaofetra Andry Nirina. Miato vonjimaika ny zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara taorian’ny […]

Indray mijery

Hiverina ny oram-baratra manerana ny Nosy manomboka rahampitso hatramin’ny alatsinainy. Ambany, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra teto Antananarivo, nandritra ity herinandro ity. Ho an’ny telo andro ho avy, vinavinaina ho ambany, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra. Tonga teny amin’ny “Amphithéâtre Ampefiloha et Annexes” ny tomponandraikitra androany zoma 2 […]