Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Hotanterahina ny 26 janoary izao, eny amin’ny Tanamasoandro Imerintsiatosika, ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo. Entanina ny rehetra hamerina ny ala any amin’ny faritra misy azy avy. “Fambolen-kazo: Manarina tontolo, manatsara famokarana, mamela lova ho an’ny taranaka” no lohahevitra amin’izany. Nitsidika ny tranoben’ny ORTM sy nihaona tamin’ireo mpiasa ny minisitry ny Serasera […]

TSELATRA

Vehivavy iray nandeha taxi-moto no lasibatry ny jiolahy teny Anosibe, omaly atoandro. Niainga avy eny Anosy handeha hody any Ampitatafika ity renim-pianakaviana ity no nandeha taxi-moto noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Teo Anosibe anefa, nosintonin’ny jiolahy ny poketra teny aminy. Lasa ny vola niaraka tamin’ny finday. Niezaka nitsoaka ihany ilay mpitondra […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 3 sy ny 4 febroary ho avy izao ny lalao fifanintsanana basikety, sokajy vehivavy U23, 3X3, any amin’ny ligim-paritr’i Bongolava. Tsiahivina fa izay tompondaka amin’ity no hisolo tena an’i Bongolava amin’ny fifaninanana « De la Rue vers l’Or », izay hatao eto Antananarivo, ny 16-18 febroary. Nifindra klioba any Seychelles […]

INDRAY MIJERY

Mamely ny zaza ny aretin’ny taovam-pisefoana, indrindra ny bronchiolite, hoy ny dokoteran’ny zaza eny Ambohimiandra. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 3 volana dia tsy tokony hifanerasera betsaka amin’ny olona loatra, indrindra ireo voan’ny gripa. Tena mbola marefo ny zaza ka saro-pady. Ny 10 febroary izao no hanatanteraka ny fambolen-kazo […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra amin’ny volana marsa ho avy izao ny tetezana vaovao eny Ambohimandroso amin’ny RN7, (PK 87). Mirefy 60 metatra. Mampiavaka azy ny azo ifanenan’ny fiara roa, raha lalan-tokana ilay teo aloha, izay niteraka loza nahafaty olona matetika. Vita hatrany amin’ny 80% ny asa, ka avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny vola […]