Tselatra

TARATRY ny KANTO

“Tolo-tanana ho an’i Mikakely”, eny amin’ny M’Lam Manakambahiny. Misesy ny fanehoana firaisan-kina. Avy hatrany dia niara-nientana ka hiaraka hanao seho anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva, ireo naman’i Mikakely, mivondrona ao amin’ny Bassiste Gasy. Tsy misy vidim-pidirana fa vata hanangonana ny fanampiana ny marary no hatao. Hampitomboana ny fanandratana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nihaona ny faran’ny herinandro teo indray ny Vondron’ny kandidà. Tsy nisy nipika ny dinika nifanaovan’izy ireo. Na izany aza, voalaza fa tafiditra amin’ny fanohizana ny tolona hatrany izao fihaonana izao. Nandefa solontena ny kandidà sasany amin’izy 11 mianaka. Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ireo loholona, omaly. Nitarika izany ny filohany, […]

TSELATRA

Mpangarom-paosy miandry mpandeha amin’ny taksibrosy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ankirihiry, Toamasina, omaly hariva. Tsikaritry ny lasibatra tampoka ny fihetsik’io lehilahy io. Nifandrimbona rahateo ny fokonolona ka noraisim-potsiny izy. Kamiao lehibe iray nandona mpandeha an-tongotra teny By-pass, afakomaly. Nitsoaka avy hatrany anefa io fiara io taorian’ny loza. Voa mafy ary […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita omaly, ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe eny Mandroseza. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely, araka izany, ny famatsian-drano any amin’ireo toerana nisian’ny fahatapahana. Mampa­hatsiahy ny Jirama fa misy fiovany ny lokon’ny rano aorian’ny fahatapahana toy izao, ka tokony halefa elaela ny paompin-drano aloha. Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny Sampan­draharahan’ny ladoany eny amin’ny seranan’Ivato […]

INDRAY MIJERY

Nanaovan’ny Filoham-pirenena tsindrim-peo ny mahakasika ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ianaran’ny zaza malagasy. Hitohy, araka izany, ny fananganana ireo fotodrafitrasa mendrika sy manara-penitra manerana ny Nosy, satria manan-jo hianatra amin’ny sekoly moderina sy ampy fitaovana ny mpianatra. Irosoana maika ny fanitarana ny haratonaina ara-tsosialy amin’ireo tokantrano tena sahirana, hoy hatrany ny […]