Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’i Rija, Nanou, Olivier ny lelavola 8 tapitrisa Ar, nandritra ny « Grand Prix », taranja tsipy kanetibe nokarakarain’ny Petanque Club Imerintsia­tosika. Fifaninanana izay natao teny Ambatomirahavavy, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo. Marihina fa notolorana vola 1 tapitrisa Ar ny faharoa. Manaraka fiofanana ao amin’ny klioban’ny Paris FC, France D2, […]

INDRAY MIJERY

Ho betsaka ny rotsakorana any amin’ny faritra afovoany atsinanana, hatry ny omaly, sy any amin’ny faritra Diana, manomboka ny alahady. Noho ilay tangoron-drahona sy ny Zone de convergence inter-tropicale no mahatonga izany. Filazana fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Atsinanana ary miloko maitso ho an’ny Diana. Toeram-pampianarana teny sinoa lehibe […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Ngah Matoa. Mpiangaly ny rap gasy, Rakotondrabe Andriantsoa Tolotra, fantatra eo amin’ny tontolo amin’ny anarana hoe Ngah Matoa na Ngam. Mpanao tononkira masiaka sy mivantambatana izay no tena hitiavan’ny mpankafy rap azy. Efa betsaka ny seho nandraisany anjara, na ny “ambany gorodona” na ny goavana kokoa. Piment Café […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiaraka hanala ny fako eto an-drenivohitra ny minisiteran’ny Rano sy ny CUA. Hampiasaina amin’izany ireo kamiao avy amin’ny firenena japonais, raha vao tafapetraka ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS), hitantana ny kaominina CUA. Hatomboka haingana koa ny famahana ny olan’ny rano ao anatin’ny tetikasa “Tana Water III”. Mitentina hatrany amin’ny 1,1 […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny didim-panjakana noraisina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny Alarobia teo, ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcelin, sy ny an’ny faritra Melaky, Ratsitohara Patrick, ary ny an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny Dr Mahafaky Justin. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirene­na, Razanamahasoa Christine, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena […]