Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN 31, mampitohy an’Ankazob­etsiahy sy Bealanana, faritra Sofia, mirefy 101,6 km. Hitarina sady ho rakofana godirao ity lalana ity. Miisa 28 ny tetezana, ka harenina ny 6 amin’ireo. Hisy koa ny toerana fotodrafitrasa fandanjana fiarabe hatsangana. Miisa 25 000 ny zana-trondro tilapia […]

FANTINA sy FINTINA

Nankasitraka ny rehetra tamin’ny fanotronana sy fanarahana ny fianianana nataony ny filohan’ny Repoblika, tao amin’ny Facebook-ny. “…Nana­marika ny fiainako sy nampihetsi-po ahy manokana iny fotoana iny. Hikatsaka ny soa ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka aho”, hoy izy. Nanamafy ny antso efa nataony ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, tao amin’ny […]

TSELATRA

Olona 10 naratra, raha roa miady amin’ny fahafatesana. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ihazolava RN 7, omaly maraina. Taksiborosy iray no nifandona tamina fiara R. Kangoo iray. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary sady nandefa ireo naratra […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 827 300t ny simenitra namidy teny an-tsena nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2023, izay mitentina hatrany amin’ny 299,6 miliara Ar. Nahitam-piakarany 84 300t ny vokatra nafarana raha oharina tamin’ny taon-dasa, izay manodidina ny 743 000t ka mitetina 271,4 miliara Ar. Mitohy hatrany ny tetikasa hazavao ny elakela-trano ataon’ny orinasa Jirama. […]

INDRAY MIJERY

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny LTP Toamasina sy ny Campus La Châtaigneraie Coo­pération Normandie, nisitraka fampitaovana toy ny “outillages” sy “chambre froide” ny LTP Toamasina. Noraisan’ny talem-paritry ny ETFP Atsinanana, So­lofomanana Jimmy, izany. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ao amin’ny faritra. Haharitra enina andro, […]