Lehilahy iray tsy nahatsiaro tena rehefa voafaokan’ny fiara teny By-pass, afakomaly. Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly izy. Nipitika tamin’ny sisin-dalana io lehilahy io ka torana. Mpandalo no nanavotra azy ary nitondra teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Norasarasain’ny olon-dratsy, omby vavy bevohoka iray lasibatry ny mpangalatra ka ny taolany sisa nariany tao anaty […]
Tselatra
Taratry ny kanto
Mifarana anio ny fampirantiana « Firenena sy ny hery fiarovana sy filaminana », tanterahina ao amin’ ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo. Tratra ny tanjona, amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Maro no tonga nitsidika ny fampirantiana, indrindra ireo tanora sy mpianatra, izay tena nokendrena hahafantatra ny mahakasika ny hery fiarovana sy filaminana. Tanterahina anio […]
Fantina sy fintina
Tsy anisan’ireo handray anjara amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ireo mponina amin’ireo kaominina miisa 31 any amin’ny distrikan’i Vangaindrano. Nambaran’ny filohan’ny BAAM ho anton’izany ny antsojay sy fanenjehana ny depiote Masy Goulamaly, i Mahavitara Sylvestre ary Razanamahasoa Christine. Miisa efatra mianadahy ireo tanora voafantina hiofana any Sénégal, amin’ny alalan’ny programa andiany […]
Tselatra
Mpitondra moto iray nositomina tao amban’ny taxi-be teny Anosizato, omaly maraina. Nikasa hijanona io mpitondra moto io kinanjo tafasitrika tampoka tao ambany fiara. Tsy nisy aina nafoy. Potika ny moto nentin’io tra-doza io. Manaraka fitsaboana ireo zandary telo voatifitra, nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao amin’ny kaominina Ankisatsy, distrika Maintirano, […]
Sombim-baovao
Hanainga rahampitso, ho any amin’ny Nosy Maorisy, ny ekipam-pirenena malagasy Makis seven de Madagascar. Hiatrika ny « Africa Men’s tour », taranja rugby, lalaovin’olona fito ireo lehilahy mpilalao. Miray vondrona amin’izy ireo, i Maurice, mpampiantrano, Nigeria, ary i Kenya. Nifarana omaly, tany Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, N1A faritra […]




